Politique

Fahazoana famatsiam-bola Dada ihany no mahavita azy !


  • Zoma 13 Novambra 2015

Nandritra ny fihaonan’ny fanjakana Malagasy sy ny vondrona eoropeanina omaly teny Iavoloha dia nanindry mafy Atoa Antonio Benedito Sanchez,

  masoivohon’ny vondrona eoropeanina fa nihemotra indray i Madagasikara ka tafiditra  ho anisan’ireo firenena dimy  mahantra indrindra mneran-tany. Raha ireny fizotry ny resaka ireny dia maha kely finoana ny hahazoan’i Madagasikara ilay fanampiana 518 tapitrisa euro izay  ampanantenaina fa ho azo amin’ny FED 11 izay hosoniavina any Bruxelles amin’ny 23 novambra ho avy izao. Betsaka loatra ireo fepetra takian’ny vondrona eoropeanina mba ahazoana  ilay  vola fanampiana kanefa ny fotoana efa  fohy  mba ahafahana manarina ny lesoka raha tsy  hoe angaha  misy lalam-poza.


Nihinana ny tsy nisasarana

Tena mbola  mila  ezaka be ny ady  amin’ny  kolikoly, ny fametrahana fanjakana tsara tantana, ny ady amin’ny  tsy  fandriampahalemana sy ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka eto amintsika. Nanindry mafy  moa ny tompon’andraikitr’i Afrika sy ny ranomasim-be indianina fa tsy  misy sakana tsy hahazoana io vola  io  saingy  tsy omena fotsiny tsy hisy fepetra izany na dia tsy hosoloina aza. Tahaka ny mahazatra moa dia nampanantena indray ny filoha Rajaonarimampianina fa hametraka ny fitondrana tsara tantana sy fitoniana ary hiady amin’ny kolikoly, na dia ny mifanohitra amin’izany aza no hita eto ankehitriny. Efa ho 7 taona izany izao tsy nahazo famatsiam-bola goavana i Madagasikara. Tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana (2002-2009) no tena nitobaka ny famatsiam-bola avy any ivelany teto Madagasikara ary nahavitana asa goavana, singanina manokana amin’izany ny lalam-pirenena faha-6 (Ambondromamy-Mampikony-Antsohihy) izay novatsian’ny vondrona eoropeanina vola hatrany amin’ny 85%. Teo ihany koa ny fanarenana ny tetezan’i Fatihita (RN7) ary efa tao anaty fandaharanasa ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 mankany Tolagnaro saingy nihitsoka noho ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009.

Mafy sofina

Kabary sy resaka ny ankoatr’izay. Na ny fitondrana tetezamita na ny fitondrana HVM ankehitriny dia tsy nahazo akory ny 1/10-n’ny famatsiam-bola azon’ny fitondrana Ravalomanana. Ny vola tahiry tao amin’ny banky foibe efa nananika ny 2 miliara dolara (2008)  navelan’i Dada Ravalomanana sy ny ekipany no nampiasaina ary niainana teto nanomboka tamin’ny 2009. Ankehitriny, mandadilady mangata-bola etsy sy eroa ny mpitondra Malagasy saingy tsy mahazo. Any amin’i Dada ny lakile. Efa im-betsaka izy no nanolo-tanana sy nilaza ny tokony hatao saingy manao mafy sofina moa ny mpitondra ka atao akory.


Andry Ratovo sy RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT