Politique

Fahaverezana zom-pirenena Mivoaka ny porofo fa lalàna tena mbola mihatra ilay izy


  • Alakamisy 29 Jona 2023

Na eo aza ny fiarovan-tena samihafa ataon’ireo olom-panjakana samihafa mikasika ny fizakan’ny Filoha ankehitriny

Andry Rajoelina ny zom-pirenena Frantsay, dia mipoitra tsikelikely ny porofo samihafa momba ny fampiharana ny andininy faha-42 amin’ilay lalàna 60-064 tamin’ny 22 jolay 1960 fa very ny zom-pirenena ho an’ny teratany Malagasy mangataka zom-pirenena vahiny aorian’ny fahafenoany taona. Tena nihatra tamin’ny olom-pirenena io raha ny porofo hita satria ny taona 2017 izao dia nisy fampiharana an’io lalàna io. Tao anatin’izao fitondrana izao, ny 22 jona 2022, ohatra, dia nankatoa fahaverezana zom-pirenena Malagasy ho ana raim-pianankaviana iray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Lehiben’ny governemanta, ary ny Minisitry ny fitsarana. Lainga sy fiarovan-tena tsy mitombina aloha izany ny firesaky ny olon’ny fitondrana, toy ny depiote iray, izay nilaza fa lalàna efa tsy nampiasaina niverimberina io, ka naman’ny efa maty sy tsy mihatra intsony. Roritin’ny fitondrana any amin’ny fahafahany miaro ny Filoha Rajoelina moa ilay lalàna, amin’ny alalan’ny fivoizana ny andininy faha-45 fa tsy maintsy misy fankatoavana amin’ny alalan’ny didim-panjakana ny fahaverezana ilay zom-pirenena.. Atao fakan-tahaka ny fananan’ny olona hafa maro zom-pirenena vahiny, saingy ny adihevitra hafa dia ny fomba nahazoana azy, ny sokajin’olona naka izany, ka izy dia tao anatin’ny naha Mpitantana firenena am-perinasa azy,... Raha ny fanehoan-kevitry ny mpanao gazetin’ny France 24 Rtoa Gaelle Borgia vao herinandro mahery teo izay, dia nanao an’iny I Andry Rajoelina mba ho fiarovana azy na "immunité" tamin’ny raharaha trafikana hazo sarobidy izay nahavoatonontonona ny anarany. Tsy nanara-dalàna Rajoelina raha naka fahefana tamin'ny 2009 satria nanongam-panjakana, ka tsy afaka nirotsaka hofidiana. Resaka fifanarahana no niantombohany satria nitaky ny “Ni… Ni…” ny Vondrona Iraisam-pirenena ka tafiditra tao anatin’ny fifandresen-dahatra ny tombotsoa roa, dia ny hahazoany zom-pirenena Frantsay sy ilay 'immunité" voalaza etsy ambony, raha ny ampahany tamin’io fanehoan-kevitra io. Niezaka nampiseho sary fa hoe: tia tanindrazana, mpitolona I Andry Rajoelina, nanao serasera sy propagandy tamin’ny fitakiana ny Iles Eparses, fa ankilany dia efa karazan’ny namato-tena tamin’ny zom-pirenena Frantsay, izay miteraka fanasokajiana azy ho nanao famadihan-tanindrazana goavana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT