Fahatsiarovana ny 7 febroary

Tsy nahazo fanasana ireo lehibena andrim-panjakana


  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Isan’ny nanaitra ireo mpanara-baovao ny tsy nahatazanana ny depiote

voafidy tao amin’ny boriboritany faha 4, Paul Bert Rahasimanana na Rossy, teny amin’ny fahatsiarovana ny 7 febroary 2009, teny Ambohitsirohitra omaly. Raha ny angom-baovao voaray ihany koa dia tsy nahazo fanasana ireo lehibena andrim-panjakana, raha ny mikasika ity fanamarihana ity hatrany. Mametra-panontaniana moa ny mpanara-baovao manoloana ny zava-nitranga hoe fa misy inona? Inona no anton’ilay tsy fahatongavan’ireo neverina fa tena nalaza ho nafana fo tamin’iny zava-niseho tamin’ny 15 taona lasa iny? Misy faharesen-dahatra niova tamin’ireo noheverina fa mpitolona tamin’izany fotoana izany ve? Isany mety ho fanontaniana nipetraka tamin’ireo tsy tonga teny an-toerana ve ny hoe tolom-bahoaka tokoa no nitranga tamin’izany fotoana izany sa tolonana firehana politika tokana na koa hoe fanonganam-panjakana, araka ny namaritan’ireo sehatra iraisampirenena azy tamin’izany fotoana? Ny tantara no hitsara, hoy ny fomba fiteny izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT