Politique

Fahasahirana manara-penitra Mitombo isa ireo fianakaviana mivaro-pananana


  • Alatsinainy 05 Jona 2023

Mitombo isa hatrany ireo fianakaviana mivarotra entana sy fananana ao an-tokantrano amin’izao fotoana.

Raha araka ny resaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana mpividy entana tonta iray dia mahatratra 10 isan’andro izany raha kely indrindra amin’izao fiandohan’ny volana izao. Handoavana hofan-tranon’olona, saram-pianaran’ny mpianatra,… izany vola vidin’entana izany izay marihina fa manomboka amin’ny sotro ka hatramin’ny fandriana hatoriana. Tena sahirana ny Malagasy hoy hatrany ity Renim-pianakaviana mpividy entana ity. Ho amin’ny andavanandro indray dia ireo mivarotra entana mba hividianana sakafo no tena betsaka. Misy mihitsy ireo mahavatra manadio ny vilany ao an-tokantranony dia mivarotra izany….mba hividianana sakafo sitrany ahay. 200 Ar monja anefa amin’izao no hividianan’ireny mpividy entana ireny ny sotro iray. 2000 Ar ny lovia bakoly iray raha misy mahasahy mividy 5000 Ar ny vilany iray kelikely dia tahaka izany hatrany. Nambaran’izy ireo mantsy fa mbola vola miodina ihany koa ny azy. Ny entana tonta rahateo hoy izy dia misy tonga dia mividy eo noho eo fa tsy maintsy mbola miandry.
Pati
Legende : Mivarotra entana ny ankamaroan’ireo fianakaviana, indrindra amin’izao fiandohan’ny volana izao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT