Faharesen’i Lalatiana R.

Felaka tehamaina sy tsipaka am-bavafo ara-politika…


  • Zoma 28 Jona 2024

Horakoraka ny tao amin'ny HCC taorian'ny fanononana ny didim-pitsarana nanambara fa i Ramilison Nomenjanahary no voafidy

amin’ny fomba ofisialy ho solombavambahoakan’i Faratsiho. Lany i Mily na dia nanesoran’ny HCC 142 aza ny vatony, izay tsy nampiova firy ny elanelam-bato azony izay nihoatra 2351 tamin’ny an-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Mazava eto ny faharesen’i Lalatiana Rakotondrazafy, didy tsy azo ivalozana, tsy idian-kevitra moa ny an’ny HCC. Misy dikany goavana eo amin’ny tontolo politika amin’ny ankapobeny ity nitranga tany Faratsiho ity satria minisitra am-perinasa i Lalatiana Rakotondrazafy, sokajian’ny maro ho isan’ireo « Joker » n’ny fitondrana Rajoelina no resy na dia efa nikofokofoka mafy sy nanao vava be tetsy sy teroa aza. Isan’ireo olona tena tsy voahozongozona tao anatin’ny governemanta tao anatin’ny 6 taona nitondran-dRajoelina, na dia novaina ho Minisitry ny fampianarana teknika tamin’ny governemanta farany teo. Azo heverina ho hafatra mafonja ho an’ny fitondrana iny ny amin’ireo fomba fiasa sy fomba fitantanana hafahafa ka nahatonga ny olona tsy mahatoky intsony ireo olon’ny fitondrana. Etsy ankilan’izay maro loatra ihany koa ny resaka nahavotonotonona an-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy ka mety nanaratsy endrika azy teo imason’ny mpifidy tamin’ny ankapobeny. Niezaka nampiseho "fair play" niarahaba ny depiote omaly i Lalatiana Rakotondrazafy saingy hita ihany hoe nalahelo ary somary nanindro-paingotra kely ny HCC mihitsy aza. Nialohan’izay dia nandeha ny feo tamin’ny mbola fiezahana hanavotra ity Minisitra teo aloha ity, saingy tsy nisy hevitra intsony, ary mety natao sorona hanehoana hoe : io ary fa tena tsy mitanila tokoa ny HCC. Misy ny maneho, fa kihon-dàlana ho an-dRajoelina sy ny volomboasary nanakisahana an-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy iny, izay izy no hany minisitra tokana tamin’ireo 7 narotsaka no tsy lany. Ny tenany izay efa kandida ben’ny tanàna teto Antananarivo nifaninana tamin-dRtoa Lalao Ravalomanana, saingy tsy lany na niditra an-tsehatra nanao propagandy aza Atoa Andry Rajoelina. Raha tonga tany amin’ireo distrika maro nisy kandida IRMAR ny Filoham-pirenena tamin’ity dia tsy anisany ny tao Faratsiho. Ny lojikan’izao, dia tsy marin-toerana ho tafaverina ao anatin’ny governemanta ity Minisitra teo aloha ity, raha vao mainka mihamafy kosa ireo minisitra hafa amin’ny lafiny fahamarinan-toerana na « légitimité » satria avy nisedra fifidianana ary lany. Tandindon’ny antenimierampirenena rahateo no tokony ho endriky ny governemanta. Hanavotra azy ka hamerina azy ao amin’ny governemanta ve i Andry Rajoelina sa hanome azy andraikitra hafa toy ny toerana ambasadaoro ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT