Nanohina ny fon’ny Malagasy maro eran-tany mihintsy ilay horonan-tsary fanadihadiana manokana momba an’i Madagasikara mitondra ny loha-teny hoe
« L’enfer au paradis » novokarin’ny fahita lavitra Frantsay M6 ary efa nandeha tamin’ny Antenne Réunion ihany koa. Ahitana ity horonantsary ity ihany koa any anatin’ny « You tube ». Araka izany lohateniny izany dia mitanisa ny hakanton’i Madagasikara izay ambarany fa tsy manam-paharoa eto an-tany ny hatsarany noho ny zavamaniry sy ny zavamanan’aina ary indrindra ny tontolo iainana ao aminy . Vitsy eto ambon’ny tany sisa ny toerana ahitana ny ampahany fotsiny amin’ny zava-misy eto Madagasikara. Ny mampalahelo sy ny nahamenatra anefa dia mahantra eo ambonin’izany harena tsy manam-paharoa eto an-tany izany ny 90% maherin’ny Malagasy miaina eto hoy i Franck M. izay nanao ity fanadihadiana ity. Ny tsy fandriampahalemana, ny fivarotan-tenan’ny ankizy sy ny fampiasana azy ireo alohan’ny fotoana , ny faharatsian’ny lalana ny fahatapahatapahan-jiro lava. Tsy nisy tsy voatan’isan’ity mpanao gazety Frantsay ity avokoa hatrany amin’ny kolikoly fanaovana karapanondro ny varo mora atao amin’ny vahiny amin’ireo tanin’ny Malagasy. Fa ny tena fanontaniana manitikitika ny saina dia ny hoe : mba inona no tenin’ireo mpitondra fanjakana malagasy manoloana ny fampitanjahana ny firenena amin’ny endriny rehetra tahaka ireny. Dia mbola ho be marenina sy hody tsy hahalala ihany ve na dia efa tsy ho afaka ny handainga amin’ny mpamatsy vola vahiny intsony ? Tratra nandika kabarina filoham-pirenen'olona aza moa tsy nahamenatra antsika .
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.