Fahalanian’i Gascar tao Antananarivo III

Hovoizina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna


  • Zoma 16 Aogositra 2024

Iray volana sy tapany taorian’ny naha ofisialy ny nahalaniany ho depiote tao amin’ny Boriborintany faha-3

eto Antananarivo, nanangana ny « Mouvement Gasikara » na « MG » ny solombavambahoaka Gascar Fenosoa, araka ny fanambarana ofisialy ny alarobia teo. Nilaza fa mpampitambatra ny loko politika rehetra io, hiverina ho an'ny Malagasy ka tsy hanompo olona na vondron'olona na vahiny fa ny vahoaka no « patron ». Nanambara hipetraka ho hery fahatelo, ka misarika ny saim-bahoaka hisintaka sy hiala lavitra ny endrika ampihimamba politika sy fibahanan-toeran’ireo hery politika roa nifanandrina an-taonany maro, izay toa tsindro-paingotra ho an’ireo Filoha miralahy mianaka dia i Atoa Marc Ravalomanana sy Atoa Andry Rajoelina. Miantso ireo leo adilahy politika, indrindra ny fifandirana teo amin'ny olona na vondron'olona tsy nety tapitra tao anatin'ny 15 taona, ary hiala lavitra ny fanompoana tsangan’olona i Gascar Fenosoa. Efa nisy kandida Filoham-pirenena nanao io resaka io, ary io misy mivoy io. Nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny tanàna manerana ny Nosy moa ity « MG » ity, ka milaza fa hanova ny tantaran’i Madagasikara. Manasokajy ny tenany ho lasibatra ara-politika na « victime » moa i Gascar Fenosoa, ka milaza fa vao misy tanora misandratra te hanova ny Firenena dia kantsanana satria mety misy tombotsoan’olona voakitikitika. Notondroiny fa ny mpivoy hoe : ny mpandraharaha goavana iray no mamatsy vola azy, dia tsy ny mpomba ny fitondrana loatra izany hoe : ny mpanohitra na tsy novantaniny aza, ka nilazany fa tsy marina ny Filazana fa aon-damosiny ny mpandraharaha mpanefoefo iray. Nilaza ihany anefa izy fa nisy ireo mpandraharaha nanohana azy, fa ity farany no tsy anisany. Tsy zakan’ny mpanao politika ny rivo-baovao tao amin’ny Boriborintany fahatelo satria nampianarina ny vahoaka Malagasy fa na ianao mpomba na ianao mpanohana, hoy i Gascar Fenosoa. Tsara ny finiavana politika tiana hatao sy haseho, zava-dehibe ny finiavana hitondra rivo-baovao amin’ny politika. Tsy tsatsara kokoa ve anefa hita ny vokatra azo tsapain-tanana amin'ny fisoloana vava ny vahoakan'ny Boriborintany fahatelo mba ahitan'ny olona fa mahomby vao miditra amin'ny hoe: « mouvement » fa toa lasa fampalazana tena na « vedettisme » hararaotina amin’ilay fahalaniana tao amin’ny boriborintany fahatelo hitarina any amin’ny fifidianana ben’ny tanàna no lasa aloha ? Amin’ny politika, tsy misy ny zavatra kisendrasendra ! Mba te haka tahaka ny làlan’i Andry Rajoelina tamin’ny 2007-2009 ve na koa maka tahaka ny « mouvement en marche » an’i Emmanuel Macron i Gascar Fenosoa ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT