Matsiarotsiaro amin’izao fotoana izao ny
mpanara-baovao sy mpanaraka ny tantaram-pirenena manoloana ny tsy mety fiafaràn’ny fipoahana krizy teto amin’ity firenena ity tao anatin’izay 67 taona naha repoblika azy izay. Miparitaka anaty tambazotran-tserasera ny tsiahy momba ireo filoham-pirenena malagasy teo aloha, ny Profesora Zafy Albert, izay efa nodimandry, sy ny filoha Hery Rajaonarimampianina, izay nanaja tena rehefa nahavita fotoam-piasàna in-dray mandeha ny taona 2013 hatramin’ny 2018. Nahongan’ireo depiote miisa 73 avy amin’ny antoko politika Tiako i Madagasikara sy ny vondrona IRMAR na Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina moa ity farany nanomboka ny 21 aprily 2018, raha tsiahivina, ka nisy tamin’izany fotoana izany ny fananganana governemantan’ny marimaritra iraisana, izay notarihin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, izay praiminisitra tsy nety niala teo amin’ny toerany raha tsy tamin’ny herinandro teo, izany hoe tato anatin’izao fotoana nampamaivay ny toe-draharaha ankehitriny izao. 8 taona naha praiminisitra no nambara ho natsahatra tamin’ny asany saingy mandra-kandroany ny mpanara-baovao dia mbola velom-panontaniana ihany hoe «Angaha moa izy iny niasa?». Ny Profesora Zafy Albert moa dia voahosotra ho «Rain’ny demokrasia» ary antony io nametrahana ny tsangambatony etsy amin’ny zaridainan’Ambohijatovo, izay nataon’ny filoham-pirenena ankehitriny, fony izy ben’ny tanànan’Antananarivo, ho kianjan’ny demokrasia ny faran’ny taona 2008. 16 taona anefa avy eo izany kianja izany no tsy navela nanehoana hevitra intsony. Ny ben’ny tanànan’Imerintsiatosika sy ny vahoaka niaraka tamin’ireo vahoakan’Antananarivo indray no afaka namaky ny kianja farany teo ary tsy tamin’ny fomba moramora fa tao anaty fanakantsakanana maro nanerana an’Antananarivo. 2 taona monja no nitondràn’ny Profesora Zafy Albert tamin’ny maha filoham-pirenena azy taorian’ny tetezamita nentin’Itompokolahy Guy Willy Razanamasy ny taona 1991. Fitsipaham-pitokisana na «empêchement» dia ampy nanajàny tena nametra-pialàna. Hany nanome ohatra tamin’ny antsoina hoe fahaizan’ny mpitondra manaja tena, araka izany, izy mianaka samy avara-pianarana ireto, raha fehezina ny tantaram-pirenena. Ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina moa dia mpahaitoekarena nivoaka teo anivon’ny oniversiten’Antananarivo no sady mpampianatra mpikaroka ihany koa, fantatra tamin’ny fampianarana sy fikarohana teny anivon’ny oniversitem-panjakàna sy oniversite tsy miankina maro, raha toa ka isan’ireo mpitsabo, mpandidy tena nikohizana fahavelony kosa ny Profesora Zafy Albert.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.