Fahafatesan’i Toky Rakotondrazaka

Nolazaina fa aretim-po fa tsy famonoana niniana natao…


  • Talata 19 Aogositra 2025

Niparitaka ny filazam-baovao omaly milaza ny antony nahafaty ny ben’ny tanànan’i Talatan’i Volonondry

Rakotondrazaka Toky Niaina Mampionina, izay nodimandry tampoka teo amin’ny faha-38 taonany ny marainan’ny sabotsy 16 aogositra 2025 lasa teo. Voalaza tao anatin’izany ny hoe : Aretim-po no nahafaty tampoka ny ben'ny tanàna. « Fantatra fa nametraka fangatahana ny Solombavambahoaka TIM Avaradrano, ka ny zandarimaria Fiadanana no nanao réquisition hanaovana autopsie. Nomen’ny fitsarana alalana izany. Natrehan’ny zandary avy eny Sampana fikarohana heloka bevava Fiadanana sy avy any Talata Volonondry, ary ny Polisy avy ao amin'ny Brigade criminelle Anosy ny autopsie. Hita tamin'izany fa narary fo izy ka izay no nitarika fahafatesana tampoka. Tsy nisy famonoana niniana natao », hoy ny voalaza fa tatitry ny manam-pahefana. Misy moa ny loharanom-baovao milaza fa « embolie pulmonaire ». Ny manam-pahaizana no mety mahafehy azy tsara, fa raha hazavaina miainga amin’ny fijerena ny famaritana dia aretina mety hahafaty haingana, vokatry ny fikatsoan’ny lalan-drà ao amin’ny havokavoka noho ny « caillot de sang » na vaingan-drà raha hadika tsotsotra izay matetika avy amin’ny tongotra na ny faritra ambany amin’ny vatana. Caillot de sang iray no miala amin’ny lalan-drà ao amin’ny tongotra (na faritra hafa) mivezivezy amin’ny ra tonga amin’ny havokavoka, manentsina ny artère pulmonaire. Izany dia manakana ny fidiran’ny « oxygène » amin’ny vatana, ka mety hiteraka fahasemporana, fahaverezan’ny fahatsiarovan-tena, na fahafatesana raha tsy voatsabo haingana. Soritr’aretina ny fahasemporana tampoka, mivalana na marary tratra, tahan’ny fitempon’ny fo miakatra, mandoa ra amin’ny kohaka, fahatsapana reraka be na fihenan’ny hery,… Ny fehiny raha raisina amin’ireo dia mety mitodika any amin’ny hoe : « fahafatesana voajanahary », saingy tsy mbola afaka ny ahiahian’ny olona.
TSY MATOKY NY OLONA, ANDRASANA SETRINY…
Maro ihany koa anefa andaniny ny ahiahin’ny olom-pirenena mandà ny fahamarinan’izany, indrindra teo anatrehan’ny toe-javatra sy tsindry politika samihafa natao ity ben’ny tanàna ity, ka mampitodika ny sain’ny mpanara-baovao fa namosaviana sy nopoizinina ity olom-boafidy vao erotrerony ity. Aretim-po ve hampandoa, nisy fanerena ilazana fa « mort naturel », tsy mino anareo izahay, tsy atokisana intsony ny manam-pahefana,… hoy ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitra. "Tsy narary, tsy naninona izy omaly, mbola nandeha namangy olona izahay. Avy eo izy niteny fa mbola misy fanasana kely alehako, dia izay fotsiny no fantatro. Mbola nody tsara ny hariva, mbola olona normal tsara! Mbola niteny hoe hitondrana laoka ve ndry. Efa ho diva haraina no ohatran'ny nihoakoaka nandoa tsy an-kijanona, mikofokofoka be. Narehitra ny jiro dia hita fa tsemboka be, dia nakany amin'ny polyclinique Ilafy, avy eo nalefan'io Hopitaly io teny amin'ny HJRA, hoy hatrany ny fanazavan-dRakotondrafaranitina Tsanta vadiny ny sabotsy teo. Mbola eo am-bohitra ny razana izay halevina rahampitso, mbola anaty fahoriana tanteraka ny fianankaviana sy ny antoko TIM misy ity ben’ny tanàna nodimandry ity. Andrasana kosa aoriana ny mety ho setriny na ho fanamarinana na fandisoana ny filazana fa aretim-po sy fahafatesana voajanahary no nitranga. Ny fianankaviany rahateo no tena nahalala ny toe-pahasalamany ka asa na hanao setriny izy ireo na hisafidy ny hangina. Handry am-piadanana kosa anie ny maty !
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT