Hisokatra ny alatsinainy 22 jolay izao ary haharitra herinandro ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny antenimierandoholona.
Ny lalàmpanorenan’ny Repoblika voalohany tamin’ny 29 aprily 1959 no nametra fa apetraka ny antenimiera roa tonta, dia ny antenimierandoholona sy ny antenimieram-pirenena, izay mifameno ny asany. Raha ny tantara, dia efa niova anarana im-betsaka noho ny tetezamita nifanesisesy io andrim-panjakana io dia CNPD (Conseil National Populaire du Développement), CRESS (Conseils de redressement Economique et Sociale), Conseils Supérieurs de la Transition (CST). Tsy niova mihitsy kosa ny andraikitry ny loholona tamin’ny ankapobeny fa mpanao lalàna foana, ary afaka nanolotsaina ny governemanta raha sitrany. Misolotena ihany koa ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Hisy ny fotoam-pivavahana lehibe ao amin’ny Ekar Saint Joseph Mahamasina ny 22 jolay maraina, ary fampirantiana samihafa momba ny tantaran’io andrim-panjakana io eo amin’ny « parking » ao amin’ny antenimiera ny tolakandro. Hisy ny famelabelaran-kevitra ny marainan’ny 23 jolay hataon’Atoa Rakotondrabao Andriatsihafa Dieudonné, Mpikamban’ny HCC teo aloha, mpitsara ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony, ka lohahevitra amin’izany ny hoe: « Le statut du parlement dans une démocratie moderne et efficace ». Ny harivan’io kosa dia hanao karazana hetsika na “simulation” maneho ny fomba fiasan’io andrim-panjakana io ny mpianatra avy amin’ny Fakiolite DEGS eny Ankatso, UCM, ACEEM, IEP, izay hatao ao amin’ny trano fivorian’ny loholona. Mitohy ny famelabelarana ny 24-25 jolay maraina arahina hetsika samihafa ny tolakandro. Fanomezan-dra eny amin’ny hopitaly HJRA kosa ny marainan’ny 26 jolay, arahina hazakazaka madinika miainga eny amin’ny antenimierandoholona-Kianja mitafo Mahamasina. Fampisehoana lehibe eny amin’ny Plaza Ampefiloha ny tolakandro. Ny sabotsy 27 jolay dia hanolotra fanampiana ho an’ireo sahirana ao amin’ny hopitaly Befelatanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.