«Face à face» nangatahan’ny depiote Fetra

Namaivanin’i Naivo Raholdina


  • Zoma 07 Jona 2024

Manao tohivakana ny fanondrahana na «arrosage» miaraka amin'ny Vpan Naivo Raholdina,

sady solombavambahoaka voafidy indray tao amin'ny boriborintany fahadimy, hoy ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny fanohanana ity kandida solombavambahoakan’ny vovonana politika IRMAR tao amin’ny boriboritany faha 5 ity omaly.Tao aorian'ny fanasany ny delege miisa 522 ny sabotsy lasa teo dia anjaran'ny «Jeunes animatrices», izany hoe, ireo tanora mpanentana indray ny omaly, izay isan'ny nampiaina nandritra ny fampielezankevitra. Mahalala ny soa natao ahy aho, hoy i Naivo Raholdina, ka tsy adinoko ny ekipako izay tena nanohana ahy. Olona mahalala ny soa natao azy ny solombavambahoaka Naivo Raholdina, sady filoha lefitry ny antenimierampirenena faritra Antananarivo, ka androany (TTF: omaly) dia nisaotra sy nanasa manokana ireo «jeunes animatrices» izy mivady tao amin'ny Hotel FANANTENANA Andranobevava. Masoandro mody no nampalahelo satria dia fiaraha-misakafo, korana nandritra ny tontolo andro, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nanome valin-kafatra ny kandidan’ny vovonana politika Firaisankina izay niantso fifanatrehana na adihevitra mivantana, izany hoe, «Face à face» aminy, Fetra Ralambozafimbololona, koa tetsy ankilan’izay ity kandidan’ny IRMAR ity. Tany misy lalàna isika, hoy izy, ka tsy handefitra amin'ny mpanakorontana. Mangataka «Face à face» amin’ny filohan’ny Firaisankina, Marc Ravalomanana, aho fa maivana loatra, hoy izy, raha i kandida Fetra izay natolotry ny TIM satria ny TIM ao amin'ny boriborintany fahadimy aza maro be no tsy tia azy ary raha misy koa ny depiote tsy niasa indrindra teto Madagasikara dia izany depiote Fetra izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT