Politique

Fa inona no nanonganana an-dRavalo ? Toa vao miha henjana ny fanagadrana sy ny ampihimamba


  • Talata 04 Oktobra 2022

Ny afera maloto mirongatra, ny trafika mirarakompana, fa ny mpanao facebook no midoboka am-ponja. Taorian’ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty mikasika ny fitantanana nisy tsy mangarahara ny vola 1818 miliara Ar azo tamin’ny coronavirus.

Ny volam-panjakana fongana ka tao anatin’ny valo volana monja ny 51 miliara Ar raha ny tatitry ny Mpitsirika volam-panjakana na ny IGE. Raha ao anatin’ny 5 taona nitondran’ny Fanjakana Rajoelina izany ohatrinona? Hatramin’ny volamena 36kg tany anaty biraom-panjakana nanjavona, ny vola 5 tapitrisa dolara nambara hanarenana ireo fiaramanidina roa an’ny Air Madagascar toa nanjavona. Ny aferan-tsolika mitapoka sy ny 64 000L nanjavona tao amin’ny Jirama toa nangina fa ny pirina ihany no manefa. Ny mpisintona lakolosy amin’ny tambajotran-tserasera facebook manelingelina fitondrana no misesy miditra any am-ponja fa ny mpangalatra amina miliara miadam-pinaritra? Nolazaina fa jadona I Marc Ravalomanana tamin’ny fitondrany, na afera maloto sy fitantanan-draharaham-panjakana tsy araka ny tokony ho izy aza no nigadran’ny mpanao politika sasany. Mbola nosoketaina fa hoe manao ampihimamba ny tontolon’ny fandraharahana ihany koa. Mifankaiza amin’izany moa ny zavatra miseho ankehitriny, ary tsy vao miha henjana aza ?
MITOMBO NY AFERA SY KOLIKOLY
Raha resaka fitantanan-draharaham-panjakana sy ady amin’ny kolikoly, tsy resaka fandokafana tsangan’olona fa miteny ho azy ny tarehimarika hoe: faha-80 tamin’ny firenena 190 isika tamin’ny 2008, raha toa ka faha-147 ny 2021, ary ahiana hihazakazaka hanaikaiky ny rambony hatrany ny 2022. Tsy nisy mpitondra Fanjakana sy manam-pahefana sahy nibolila firy talohan’ny 2009, fa ankehitriny izay aleha hahenoana fofona afera sy kolikoly avokoa, saingy vitavita ho azy ny ankamaroany.
TENA MANOHINTOHINA NY FANJAKANA TOKOA VE ?
Tsy miaro na iza na iza, ary tokony hakana lesona foana ny tantara efa lasa, saingy ny sary miseho dia toa hifaninanana. Fanonganam-panjakana tahaka ny inona no ho vitan-dry Berija Ravelomanantsoa, Stan’ley Ramarivelo, Beharinirina Marcellin, eny fa na ry Mahery Lanto Manandafy nanonona olona miasa any amin’ny Fiadidian’ny Repoblika ho irakiraka mpamatsy bal any dahalo,…? Raha nohenjehina ho mpanagadra ireo tsy mitovy hevitra aminy I Marc Ravalomanana dia inona no tsy miseho ankehitriny ? Efa any am-ponja aza ry Mbola Rajaonah mbola atahorana sy lazaina fa manohintohina ny filaminana anatin’ny Fanjakana. Potehina hatramin’ny farany satria vao nosamborina dia efa niporitsaka ny resaka fa tsy hamelana raha tsy “0Ar”, atao mandeha “jante” vao mijanona,… Ry Harry Laurent Rahajason efa ny olona nanondro azy izao no nilaza fa tsy misy hidirany ny raharaha, saingy tsy namelana raha tsy nilentika. Mendrika hosaziana tokoa izay mety ho nanao ny tsy mety, saingy tokony ho fitaratra izay manenjika sy mandetika. Tia mamotika ny hafa fa tsy vonona hanitsy ny famindra ary mieritreritra ny tsy ho tratry ny aloka mandrakizay ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT