F3M

> Hampifidy an’ny Dr Robinson


  • Zoma 29 Novambra 2013

Tafatsangana ny alarobia 20 novambra 2013 lasa teo ny Fikambanana Malagasy Miara-Mivavaka ho an’i Madagasikara.

Mandrafitra ny F.3M ny Vondrombavaka Kianjan’ny Finoana, Vondrombavaka Estera, Vondron’ny Kristianina Katolika Mijoro amin’ny Fahamarinana, ny Jesosy Mamonjy, ny MA.VA.MA.SA.M.Kristy ary ny vahoaka mpiara-mitolona ao amin’ny Kianjan’ny Finoana. Antony lehibe nijoroan’ny fikambanana F.3M ny fahatsapana sy fahitan’ny isam-batan’olona fa nisy ireo lesoka maro niseho nandritra ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany. Tsy nisalasala fa handray andraikitra sy hanolo-tena ireo mpikambana avy amin’ny Vondrombavaka sy fikambanana ary ireo solontenan’ny olon-tsotra hanarina izay tsy nety rehetra araka izay vita sy tratra na ara-kevitra na koa ara-pitaovana ho fampandresena ny kandida Robinson Jean Louis izay tohanan’ny Filoha Ravalomanana Marc sy Neny Ravalomanana Lalao. Efa vonona amin’ny fiatrehana ireo dingana rehetra rahateo ny fikambanana amin’ny alalan’ireo masoivoho izay miparitaka manerana ireo faritra maro eto Madagasikara, araka ny fanazavana nomen’ireo filoha lefitra mianadahy dokotera Ramasiharinoro Noëline sy Razakarisoa Celestin. Hiditra an-tsehatra amin’ny fanatanterahana asa mivantana ny fiangonana sy vondrombavaka ary ireo fikambanana samihafa toy ny fampielezan-kevitra sy ny fanaraha-maso mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana izay tena nandringa tokoa. Amin’ny maha Fikambanana Malagasy Mivavaka ho an’i Madagasikara azy dia tsy tapaka andro aman’alina ny fiaraha-mivavaka mandritra ny fotoana rehetra any amin’ireo toerana rehetra hanatanterahana ny asa mandra-pivoakan’ny voka-pifidianana.

 

Ramano F. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT