Politique

Exopoles, ASSIDU, ESD Nanao lakolosy fanairana


  • Alarobia 05 Oktobra 2011

Raha noheverina handamina ny raharaha ny fahavitan’ny fanaovan-tsonia ilay tondrozotra dia toa vao mainka mampisavoritaka ireo vondrona politika samihafa indray.

 Ny andro faharoa nisian’ny fihaonan’ireo vondrona ireo taorian’ny sonia teny Ivato dia efa raikitra ny gidragidra teny amin’ny hotely Carlton rehefa tsy navela hanatrika ny fivoriana ny vondron-kery sasany nahitana ny Exopoles. Tsy nampiova na inona na inona anefa io zava-nitranga io satria raharahan’ny G-10 miampy ny Ankolafy Zafy hatrany ny adihevitra momba ny fizaran-tseza hatramin’izao izay tontosaina eny Ambohitsorohitra. Nanakiana ny fanilikilihana azy ireo indray ary omaly ny Exopoles, ny ASSIDU ary ny ESD. Nambaran’izy ireo fa tsy ireo mpivory ao an-dapa ihany akory no mahita ny vahaolana amin’ny krizy eto amin’ny firenena. “Tsy tokony hisy atao ankilabao izay rehetra manan-kevitra satria firenena iraisana ity”, hoy izy ireo. Nohazavain-dRasamizafy Cyril, filohan’ny Exopoles fa tsy misy mpanao politika afaka milaza na hihevi-tena ho manana antoko vaventy ka manosi-bohotanana ny hafa. Ny fifidianana ihany no amantarana izay araka ny fanazavany hatrany. Nandefa taratasy fitarainana any amin’ny Troika sy ny SADC moa ireto vondrona nanao sonia ny «feuille de soutien», fanohanana ny tondrozotra, ireto.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT