Politique

Esoeson-tenin’ny Filoha tany Ambilobe Namaly bontana ny HVM France


  • Alatsinainy 12 Septambra 2022

“Nisy ny nampanantena, nisy ny nilaza fa hanao raha kay tsy nahavita, nisy ny nametraka vato fehizoro hay fitaka, ny filohanareo tsy mamitaka,

rehefa nisy nampanatenaina dia vitaina. Niasa mafy, nandresy lahatra ny mpamatsy vola, nahazo famatsiam-bola…”, hoy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny 09 septambra lasa teo, nandritra ny fitokanana ny RN5A mampitohy an’Ambilobe Vohemar. Nitondra valin-kavatra kosa ny HVM France, izay naneho fa faly izy ireo, faly ny mpiray tanindrazana, faly ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina nahita ny làlana vita soamantsara, izay niasany mafy ka nahitany famatsiam-bola. Malahelo, ary tsy hay kosa ny hangina satria ny kabary fanokafana ny làlana, kabary miendrika propagandy dia nentina hanaratsiana ny fitondrana teo aloha, hoy ny HVM France. Hendrikendrehana ho mpamitaka satria tsy tsy nahavita ny làlana, kanefa raha ny Filoha Hery Rajaonarimampianina manokana, ny volana may 2017 no vita ny fifampiraharahana ara-bola, rehefa niady mafy ny hahazoana izany. Natomboka ny asa, ary 24 volana no nifanarahana hahavitana izany. 4 taona aty aoriana izy io vao vita. Tsy “normal” ve raha ny taona 2018 nahazoana ny vola sy nialana teo amin’ny fitondrana dia mbola tsy vita ny lalana ka nahoana no hitsarana olona ho mpamitaka? Iza marina no mpamitaka sy mbola te hamitaka? Hoy ny HVM France. Tsara moa no mampahatsiahy, fa ny 09 septambra 2022 teo, dia namoaka fanambarana ihany koa ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. “Miara-mifaly amin'ny vahoaka amin'iny faritra avaratra iny, eny mbamin'ny firenentsika mihintsy amin'izao fahavitan-dalana RN5A mampitohy an'i Vohemar sy Ambilobe izao. Nody ventiny ny ezaka nataoko efatra taona lasa izay, ny 16 aogositra 2018 no nametrahana ny vatofehizoron'ny asa fanamboarana ny asa ka izaho Hery Rajaonarimampianina, Filoham-pirenena tamin'izany no nanao azy izay nahazoana famatsiam-bola 158 tapitrisa dolara avy tamin'ny fanjakana sinoa ny volana may 2017. Ny 19 aprily 2019 no natomboka tamin'ny fomba ofisialy ka ny Filoha ankehitriny no nitarika izany, 24 volana no voafaritra hanatanterahana ny asa tamin'ny fotoana nahazoantsika ny famatsiam-bola,…”, hoy i Hery Rajaonarimampianina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT