Politique

Escopol Extraparlementaire Tsy mety raha 2 loha ny FAT


  • Alarobia 19 Oktobra 2011

Ny fananganana ny governemanta iraisan’ireo vondrona politika nanao sonia ny tondrozotra izao no andrasan’ny maro taorian’ny fametraham-pialan’ny governemanta Vital ny alatsinainy lasa teo.

 Ho an’ny Escopol Extraparlementaire dia dingana goavana amin’ny fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena io fanendrena ny lehiben’ny governemanta io. “Amin’ny alalan’ny fanendrena ny praiminisitra eo no hijeren’ny firaisambe iraisam-pirenena raha tena vonona hivoaka amin’ny krizy tokoa ny mpanao politika Malagasy”, hoy i Andriamorasata Charles Aimé, filohan’ny Escopol Extraparlementaire. Ho an’ity vondrona ity dia tsy tokony hiadian-kevitra ny maha tsy manana fiandaniana izay ho praiminisitra.

Mametraka fepetra ara-teknika koa anefa ny Escopol tsy manana olona ao amin’ny parlemanta ka milaza fa tokony hahay mandresy lahatra amin’ny mpamatsy vola, mametraka ny fandriampahalemana ary vonona hiara-hiasa amin’ny filohan’ny FAT izay lehiben’ny governemanta eo. “Tsy mety mantsy raha 2 loha ny FAT” raha ny fanazavan’i Andriamorasata Charles Aimé ihany. Manentana ny firaisamonim-pirenena handray ny andraikiny amin’ny fanaraha-maso ny fampiharana ny tondrozotra koa ry zareo satria noho ny tsy fahavitany izay andraikiny izay araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha-28 amin’io tondrozotra io no mahatonga ny SADC hitsabaka amin’ny raharahan’ny samy Malagasy tahaka izao.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT