Politique

Emile Ratefinanahary Aleo ny vahoaka no hitsara !


  • Talata 11 Oktobra 2011

Efa reraka amin’ny adilahy politika ny vahoaka, hoy ny Sekretera jeneraly lefitry ny TIM Raharinaivo, Emile Ratefinanahary na i Emile Vazaha, ka aoka tsy hasiana kajikajy be sy tsy atao ho sakana intsony ny fampiharana ilay tondrozotran’i Sandton fa mba hampiharina amin’ny antsakany sy andavany.

 Iny sori-dalana misy andininy 45 miampy ny tovana mahakasika ny andininy faha-20 iny no lalana hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy izao, hoy izy. Ho avy ny fanatanterahana ny fifidianana madio sy mangarahara iarahana amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba hisian’ny fandriampahalemana maharitra tsy hiverenan’ny krizy intsony eto amintsika. Mila jerena ifotony io krizy io tsy hiverimberina intsony hisian’ny fampandrosoana maharitra.

Manoloana ny zava-misy ankehitriny, hoy ihany ity Sekretera jeneraly lefitra ity, ho anay antoko TIM mahenika an’i Madagasikara, dia tsotra sy fohy ny anay, laharam-pahamehana ny famahana ny krizy eto amin’ny tany sy ny firenena, ao koa ny fijerena ny isan’andron’ny vahoaka Malagasy. Ny manaraka dia ny fametrahana vinam-piarahamonina hahafahan’ny vahoaka Malagasy mitsara ny antoko eto amintsika. Izahy aloha tsy hidedaka hoe : inona no vitanay, fa aleo ny vahoaka tokoa no hitsara. Fa ho anay dia herintaona lasa izay no nandraisanay andraikitra nanaovana dingana lehibe ho famahana ny krizy ka niaviana amin’izao fanaovan-tsonia ny tondrozotra izao. Ka mbola averinay fa ny fampiharana an’io sori-dalana vita sonia tamin’ny 17 septambra teo io ara-bakiteny no takianay fa io no fivoahana amin’ny krizy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT