Politique

Elysée Ratsiraka Haato tsy ho Ben’ny tanŕna ?


  • Alakamisy 19 Novambra 2015

Horakoraka sy fitsofana kiririoka isan’andro no itsenan’ny mpiasan’ny Kaominina Toamasina ny Ben’ny tanŕna, Dr Ratsiraka Elysée Laurent, isaky ny miditra birao ao amin’ny Lapan’ny tanŕna.

 


 

Mitokona tsy nahazo karama efa ho dimy volana mantsy izao ireo mpiasa an-tselika ary roa volana ny an’ireo mpiasa raikitra.

Telo herinandro izao tsy nivaha ny olana na teo aza ny fanelanelanana nataon’ireo mpanolotsain’ny Kaominina notarihan’ny filohany sy ny lehiben’ny Faritra Atsinanana ary ny prefen’i Toamasina. Mikatso ny asa sy mikatona ny biraon’ny Kaominina na eo aza ireo mpiasa sasany miezaka manangona ny haban-tsena sy hetram-piantsonana amin’izao taom-piotazana lodsia izao.

 

An-kilan’izay, nanomboka ny talata teo dia mivory maika tsy ara-potoana ireo mpanolotsain’ny tanàna. Ny tsiliantsofina re dia toa resahina ao ny fomba hampiatoana amin’ny asany ny Ben’ny tanàna mba hamahana ny olana. Maro an’isa eo anivon’ny Filankevitry ny tanàna anefa ireo mpanolotsaina avy amin’ny MAPAR nahavoafidy ny Ben’ny tanàna.

 

Ankoatra izay dia fantatra koa izao fa mitaky fanadihadiana lalina ny ara-bola ihany koa ny mpiasa. Mandeha ny feo fa ny 7 oktobra 2015 teo dia nisy vola 400 tapitrisa Ariary niditra tao amin’ny kitapom-bolan’ny Kaominina avy amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ka takian’izy ireo ny mangarahara amin’ny nampiasana sy nandaniana ny vola.

 

Rakoutou

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT