Politique

Eliana Marie Bezaza “ Mila olobe i Madagasikara !”


  • Zoma 06 Aprily 2018

Samy nanambara ny fahavalalaninany manoloana ny toe-draharaha politika vokatr’ilay lalàm-pifidianana nolaniana an-keriny teny amin’ny antenimieram-pirenena farany teo avokoa ireo mpitarika antoko politika avy amin’ny hery an-kavia izay manohitra ny fitondrana ankehitriny.

 Nanambara omaly ny sekretera nasionalin'ny antoko PSD, Eliana Marie Bezaza fa miangavy ireo olon-kendry eto amin'ny firenena izy ireo, indrindra ireo sehatra tsy manao politika ary tsy manana kandidà hilatsaka toy ny FFKM sy ny fiangonana isan-tsokajiny, ny CENI, ny fiarahamonim-pirenena, ny CFM mba hivondrona hamaha ity olana ity fa mila olobe i Madagasikara. Isika rehetra izay efa nitonona ampahibemaso fa kandidà ho filoham-pirenena dia aoka hivondrona ho an'ny tombontsoa ambonin'ny firenena ary hanara-maso amin'ny ahatongavana amin'ny lalàm- pifidianana tena eken'ny rehetra. Aminay PSD dia ny fifidianana ihany no lalan-tokana ahafahana manangana fanjakana amin'ny alalan'ny teny ierana, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT