Eliace Ralaiarimanana

“Tsy hanam-pahefana eto intsony i Satana sy ny mafia!”


  • Zoma 01 Desambra 2023

Mahitsy foana ny fomba fijerin’ny Kristianina manao politika,

hoy ny filohan’ny antoko politika Kristianina manao politika, Eliace Ralaiarimanana. Diovy ny sainareo hitoerako, hoy ny Tompo, hoy izy, ka tsy mankahala olona aho fa mankahala ny toetra ratsiny kosa. Nitantana firenena ianao 7 taona tsy nahalala namaha olana fa amin’izao vao mitaky ny hoe tokony ovaina ny lalàm-pifidianana sy ny toy izany. Efa nambarako foana fa tapitra ny 19 janoary 2024 ny fe-potoana hahafahan’ny mpitondra farany teo mitondra ity Madagasikara ity. Hiakatra eo, araka ny tenin’Andriamanitra hoe “Elatra no iakaran’izay matoky ahy!”, ary tsy azon’iza na iza sakanana izay matoky an’Andriamanitra. Sokafy ny fonareo itoeran’ny teniko, hoy ny tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy ho tanteraka ny tenin’Andriamanitra fa i Satana efa resy. Amin’ny anaran’i Jesosy no hitenenako hoe tsy hanam-pahefana eto intsony i Satana sy ny mafia, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT