Eliace Ralaiarimanana

«Tsy afaka manao na inona na inona intsony i Rajoelina»


  • Alarobia 28 Febroary 2024

Tsy haiko hoe azon’inona ireto vahoaka malagasy ireto,

hoy ny filohan’ny antoko politika Kristianina manao politika, Eliace Ralaiarimanana, ankehitriny. Izay moa no antony hilazako foana hoe mila entina am-bavaka ilay firenena fa tena misy asan’ny devoly maloto, hoy izy. Tazomiko ny teniko. Nanao antso aho tamin’ny 19 janoary 2024 hoe andao hifanome tanana amin’izay fa tapitra anion y fe-potoam-piasan’i Andry Rajoelina. Misy namaly dia nisy tsy namaly fa izaho kosa aloha dia mahatsapa hoe zava-dehibe no nahavitako ilay antso satria ohatran’ny miha feno ny heriko ankehitriny miatrika ny fiainana iraimanontolo. Tsy hoe tsy ho tanteraka ny teniko fa araka ny efa nambarako hoe miady amin’ny zanak’Israely ireo. Hitanao fa mikatso ny raharaham-pirenena iraimanontolo izao. Tsy afaka manao na inona na inona intsony i Andry Rajoelina. Izany no midika fa tsy filoha intsony io dia tsy afaka manao na inona na inona eo anatrehan’Andriamanitra. Izaho mitazona ny teniko. Toy ny varin’ampango tra-maraina eo ireo. Miala ho azy ireo. Miandry ny fotoanan’Andriamanitra isika, hoy hatrany ny Kristianina manao politika.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT