Politique

Eliace Ralaiarimanana “Ny mpitondra mihitsy no mamorona olana”


  • Alatsinainy 23 Janoary 2023

Aoka hazava tsara, hoy ny mpanao politika Kristianina, Eliace Ralaiarimanana,

fa tsy ny vahoaka velively no nampisy olana ny fitondrana fa ny mpitondra sy ny forongony mihitsy no mamorona olana ho an'ny fitantanana firenena sy ny vahoaka ho entiny. Na ireo mpiara-miasa manodidina ny filoha aza efa mahita ny tsy fahombiazany sy ny lainga marivo tototra nataony, hoy izy. Ny fampanantenana maro tsy voatanisa tsy tanteraka nampanantenainy dia efa manao tsipak'omby miala aina aby. Ny mpanipy oditr'akondro sy mipasoka ny efa malama moa tsy hay refesina. Ny vahoaka no mitaty kihony ka rehefa misy sahy milaza ny tsy mety sy manitsy ny làlana tsara tokony andehanan’ireo mpitondra dia raisiny ho fahavalo sy mpanakorontana ny fiandrianam-pirenena izany fa tsy mba hainy ny mandray ny fanitsiana ho lasa fanatsarana. Tsy mahay maka lesona izao filoham-pirenena izao. Mampieritreritra ny maro izany fa inian’ny mpitondra ny mampahantra ny vahoaka malagasy toy izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT