Politique

Eliace Ralaiarimanana “Ny mpisolelaka no fahavalon’ny firenena”


  • Talata 18 Jolay 2023

Tahaka ny ahavon’ny lanitra amin'ny tany ny elanelana misy amin'ny mpitondra sy ny vahoaka ankehitriny, hoy ny filohan’ny antoko politika Kristianina manao politika,

Eliace Ralaiarimanana. Ny mpitondra voky sy migalabona tsara daholo fa ny vahoaka entiny tena sahirana sy mahantra, hoy izy. Ireo mahazo tombontsoa misolelaka mihataka sy miala amin'ny maro an’isa ary vao maika hatrany manome vahana sy manovana ho an'ireo mpitondra. Ny mpisolelaka no fahavalon’ny firenena. Miray tsikombakomba amin'ny famotehana ny tanindrazana. Ry mpisolelaka sy mpanara-drenirano, tsarovy fa na ho ela na ho haingana dia mbola hiverina ho eo amin'ny fiarahamonina misy anareo avy ianareo ireo. Mambole kolontsaina fandinihan-tena! Miharihary toy ny vay an-kandrina ny mpandroba firenena ankehitriny ka fotoana izao andinihantsika vahoaka malagasy. Misy ny mpifaninanana tena malagasy tsy misy kasokasoka vonona ny hanarina an'ity nosy malalantsika ity dia i Eliace Ralaiarimanana. Tsy vola, tsy harena fa fandavan-tena sy ny traikefa hananako no entiko hamerenana ny hasim-pirenena sy hanarenako ny fiainan’ny vahoaka malagasy. Hanandratra ny fahamarinana eto Madagasikara izay tsy mbola nisy nandritry ny 63 taona no tanjoko sy himasoako ary tsy maintsy tanteraka eto izany amin'ny anaran’i Jehovah Andriamanitra izay maniraka ahy, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT