Kandida tsy ho voavidin’iza na iza vola aho, hoy ny kandida ho filohan’ny repoblika, Eliace Ralaiarimanana.
Malahelo izao zava-misy mahazo ny vahoaka malagasy izao no mahatonga ahy hijoro sy hanatanteraka ny adidiko, hoy izy. Niandry foana ny fahendren’ny fanjakana misy aho. Tena raiamandreny tokoa ve ireo olona ireo? Fiainana savoritaka na “bordel” no miaraka amin’izao fanjakana misy izao. Tsy misy ny lalàna mametra mikasika ny fanombohana na fiafaran’izany atao hoe “précampagne” na fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana izany dia izaho tsy hanao. 1 minitra ny anay dia vita ny fampielezan-kevitra manerana an’i Madagasikara. Ela aza izany. Tena iraka ny ahy. Na iza miseho azy hiteny eto. Izany Ravatomanga izany jamba izany. Hamafisiko indray androany. Iza no nahita azy nialohan’ny nidirany teo ambonin’iny seza iny? Izy efa mipetraka no hitantsika. Vao hilatsaka depiote aho no efa niteny fa hizara maimaipoana ilay fiharian-karena miainga amin’ny tsy misy. Herinandro ny olona dia mahazo tombontsoa. Miandry ao aorian’ny fahalanian’i Eliace ny fampianarana an’io. Fantatro fa mikaikaika ny malagasy fa lalana nitarihan’Andriamanitra izao firenena izao mihitsy izao zava-misy izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.