Politique

Eliace Ralaiarimanana “Hadio Antananarivo manomboka eto”


  • Zoma 25 Novambra 2022

Nihaona tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriatsitohaina, aho anio (TTF: omaly), hoy ny mpanao politika Kristianina sady kandida ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha, Eliace Ralaiarimanana.

Niaiky ny ben’ny tanàna, hoy izy, fa manana hevitra hamahana ny olan’Antananarivo aho. Efa nomeko azy any moa ilay hevitra ka anjarany ny hanatanteraka izany na mbola hanajanona an’Antananarivo ho maloto toy izao. Ataovy vidian’ny kaominina ny fako, hoy aho, fa tsy taomina. Eny Andralanitra izy no asaiko mametraka mizana be handanjana ny fako izay tonga eny dia izay tonga eny no vidiany. Mba misy tolotr’asa ho an’izay rehetra te hanatanteraka an’izay koa amin’izay. Ny fandanianao rehetra amin’ny resaka solika, menaka, fikarakarana fiara sy ny karazany rehetra, hoy aho, tsy misy intsony fa ilay fako fotsiny no vidiana. Tsy mila mampiasa kamiao intsony fa be dia be ny olona izao no tsy manana asa dia aleony mitaona fako mankeny. Nantintrateriko koa hoe ataovy ara-dalana ny fandoavana ilay volan’olona. Afaka amin’ny fandaniana sy halatra ny CUA raha manaraka io tolokevitra io. Izaho moa tsy manana heritreritra hilatsaka ben’ny tanànan’Antananarivo intsony dia aleoko omena azy ilay hevitra. Mino aho fa ho raisin’ny ben’ny tanana iny sosokevitra iny satria hitako tena nihiratra mihitsy ny masony. Mampanantena ny mponin’Antananarivo aho, noho izany, fa hadio ny tanànan’Antananarivo manomboka eto, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT