Politique

Eliace Ralaiarimanana “Efa manao tsipaky ny miala aina io fitondrana io”


  • Alakamisy 16 Martsa 2023

Mazava ny peta-toko sy tsy fananan’ny mpitondra fahavononana amin’ny tena tokony ho ataony eto amin’ny firenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika Kristianina, Eliace Ralaiarimanana.

Na betsaka aza, hoy izy, ny fihetsika atao ampihemotra ny tena dia tsy mampihemotra ny miaramilan’i Jesosy izany. Efa manao tsipaky ny miala aina io fitondrana io. Aza gaga ianareo, raha hoe manendry ambasadaoro indray amin’izao ora farany izao satria tsy manana vahaolana. Roa ihany anefa no vahaolana ary izay ny ahy. Ny iray mampiasa ny tany efa misy hampamokarana ny vahoaka iraimanontolo. Faharoa, ny fampanarahan-dalana ny firenena. Izany hoe raha fintinina dia hamboly sy hampanara-dalana an’i Madagasikara satria izay no maha tonga ho azy ny mpampiasa vola fa tsy mpampiasa vola mafia sy satanika toy izao no mameno tanana. Ho lany aho amin’ity ary lalana nampizoran’Andriamanitra ahy avokoa ireny hatramin’ny nanao ben’ny tanana ireny. Antso tamin’ny alalan’ny toriteny norenesiko ny ahy fa tsy faminaniana dia ny hoe arotsahy amin’ny lalindalina ny harato, araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’I Matio sy Petera. Rehefa niova tarehy tany an-tendrombohitra araka izay voasoratra ao amin’ny Matio koa Jesosy dia nomeny an’I Elia ny fanalahidy. Aty amin’I Eliace ankehitriny ny fanalahidy, hoy hatrany ny tenany. J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT