Ekipan’ny kandida Mishah

“Lasa resaka “dessin animé” ilay izy”


  • Talata 29 Aogositra 2023

Ny taona 2014 dia nisy ny “feuille de route” na ravin-dalana niaraka tamin’ny lalàm-panorenana,

hoy ny talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida Julia Mickaëlla Rasolofonoroniaina na Mishah, Jean Nirina Rafanomezantsoa, tetsy amin’ny HCC Ambohidahy omaly. Nisy ny tolona nataon’ireo depiote 73 ny taona 2018, hoy izy, niafara tamin’ny fifanekena andraikitra na “pacte de responsabilité”. Haka fahefana izahay matoa hilatsaka. Hamafisinay fa haka fahefana izahay matoa hilatsaka. Hamafisinay fa ny zoma izao izahay no hanatitra ny antotan-taratasy ary tsy hihemotra amin’ny fanapahan-kevitray. Tsy tsara ny mifamitapitaka. Hitanay fa misy olana ilay fifidianana. Misy kandida be dia be misalasala hoe tena inona marina no izy satria raha repoblika faha 4 no hitenenantsika amin’io dia manontany izao izahay hoe kandida voalohany andriamatoa Marc Ravalomanana dia manana olana tamin’ny fanamelohana izay mbola didy tsy nisy nanafoana. Io koa ny filoham-pirenena ankehitriny manana olana amin’ny resaka zom-pirenena. Izany no itenenanay hoe tsy tsara isika mifamitaka. Ny anay moa dia hoe repoblika faha 5 ihany no ahafahana mandresy lahatra. Tsy afaka ampiasaina mihitsy ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha 4. Ny HCC no tomponandraikitra voalohany amin’ny fitandroana ny lalàmpanorenana ka isan’ny nametrahanay ny taratasy. Toy izany koa ny CENI. Ankehitriny ny filoham-pokontany mbola tsy nahazo toromarika mikasika ny “certificat de résidence” na fanamarinam-ponenana. Fanamarinam-ponenana milaza ny fipetrahan’ny olona iray tao anatin’ny 6 volana nefa no takian’ny lalàna. Tsy vola kely koa ilay 200 tapitrisa Ariary ka tena matotra ve izy ity? Tsy ny vola milatsaka anaty kitapom-bolam-panjakana ihany no olana fa na ny resaka QG sy ny rehetra koa. Repoblika miainga avy amin’ny lalàmpanorenana, fitsapan-kevi-bahoaka no apetrakay. Izay no olana amin’ilay andininy faha 54 satria rehefa vita ny fianianan’ny filoham-pirenena eo Mahamasina dia tonga dia lalàmpanorenana no maika aminay. Volana jolay vao lany ny fe-potoam-piasan’ny antenimieram-pirenena ankehitriny izay iankinan’ny praiminisitra. Lasa resaka “dessin animé” na sary miaina ilay izy. Izay no nanatonanay ny HCC. Ny kandidanay no nalaza indrindra tao anaty fotoana fohy, hoy hatrany ny ekipan’ny kandida Mishah.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT