Politique

Ekipan’ny Filoham-pirenena Natao mpanolotsaina ireo minisitra very seza


  • Zoma 10 Martsa 2023

Nampidirana ho “samihafa” tao amin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly 09 martsa 2023 ny fanendrena ireo mpanolotsaina manokan’ny Filoham-pirenena miisa 4 vaovao.

Nambara fa antony ny mba ho fanajana ny mangaraharaha na dia ivela’ny fanapahan-kevitra raisina iveelan’ny filankevitry ny minisitra aza. Ho an’ny eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika, dia noraisina ny didim-panjakana nanendry an’Atoa Patrick Rajoelina ho mpanolotsaina manokan’ny Filohan’ny Repoblika misahana ny diplaomasia sy ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany. Efa minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha moa ity farany, izay tsiahivina fa betsaka ny resabe momba azy fony minisitra. Notendrena ho mpanolotsaina manokana misahana ny raharaha ara-toekarena sy ny fifandraisana amin’ny tsy miankina kosa Rtoa Raharinirina Baomiavotse Vahinala, izay vao avy nesorina tsy ho Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika. Rehefa tsy hita firy sy tsy tazana nandritra ny fotoana naharitra ny Minisitry ny Atitany teo aloha AToa Tianarivelo Razafimahefa, dia notendrena ho mpanolotsaina manokana misahana ny fitantanana sy ny fampandrosoana eny ifotony. Isan’ny ahatsiarovan’ny maro azy ny raharaha “écran plat” nandritra ny vanim-potoanan’ny Covid 19 ny taona 2020.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT