13 andro izay no nanombohan’ny fampielezan-kevitra fa dia tsy hita popoka ny peta-drindrina sy afisin’ny kandidan’ny Hery Vaovao, eto Antananarivo Renivohitra sy any amin’ny faritra maro.
Tsy nisy intsony ihany koa ny fizarana t-shirt isan’andro tahaka ny natao tamin’ny fihodinana voalohany ary tena nihena be ny isan’ireo fiara misy ny sariny, mitondra fanamafisam-peo mitety Fokontany. Dia samy velom-panontaniana ny olona, fa inona ary no nitranga e ? Niova ve ny paikady sa efa manify ny vola eo am-pelatanana ka aleo mitsitsy aloha ? Raha ny fahafantarana azy anefa dia i Hery Rajaonarimampianina angamba no kandida be vola indrindra tamin’ireo kandida niisa 33 nifaninana, satria tany amin’ny fihodinana voalohany dia nanodidina ny 40 miliara Ariary teo hoe ny tetibola nampiasainy. Amin’ity fihodinana faharoa ity kosa dia toa nanidy poketra ny mpamatsy volany ka nihena be io tarehimarika io. Tsy manana herijika ho tafita intsony i Hery Rajaonarimampiana, ka hatontona any amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Ambinambim-bola sisa no nomena ny kandida filoham-pirenena.
Manomboka miparitaka ny resaka tato ho ato fa tsy mifanara-tsaina ireo samy mpiara-miasa sy mpanohana ity kandida laharana faha-3 ity. Tsy mitovy ny fomba fijerin’ny ekipa mikarakara ny hetsika propagandy sy ny ekipa politika izay saika ireo manodidina an’i Andry Rajoelina. Raha ny fahitana azy dia misy fifanilihana andraikitra teo amin’izy ireo ka ny vokany dia hita ho tena mandringa fa tsy tahaka ny tamin’ny fihodinana voalohany mihitsy ny fampielezan-kevitr’i Hery Rajaonarimampianina. Fantatr’izy ireo koa fa dia ho herim-po very maina fotsiny ihany na hanokovokovoka eo aza satria efa tena mazava ny safidin’ny Malagasy fa mila fiovana ka tsy mila intsony ireo olona nitondra nandritra ny tetezamita indrindra fa raha avy ao amin’ny ankolafy Rajoelina izy. Lohalaharana amin’izany i Hery Rajaonarimampianina satria minisitry ny vola sy ny tetibola nandritra ny 4 taona be izao ary anisan’ireo olona tena akaiky ny filohan’ny tetezamita matoa nosafidiany hotohanana na dia i Edgard Razafindravahy aza no kandida nofinidin’ny kongresin’ny antoko TGV.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.