Efa tafapetraka ny «tompon’ny tanàna»

Ho hita eo tokoa raha hitondra fiovàna!


  • Zoma 07 Febroary 2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

nandritry ny fampielezankevitra, fony izy mbola kandida? Izy ihany moa no namaly azy avy eo hoe «Antsika ny tanàna». Araka izany dia efa tafapetraka ny «tompon’ny tanàna» ka ho hita eo tokoa raha hitondra fiovàna mankany amin’ny fandrosoan’ity renivohitr’i Madagasikara ity na tsia! Ho voalamina amin’izay ve izany manomboka eto ny olan’ny fako eto Antananarivo ka tsy hiverina intsony ny fitokonan’ireo mpiasan’ny orinasa nampandraiketana izany toy izay nitranga tamin’ny andron’ny ben’ny tanàna teo aloha, Naina Andriantsitohaina? Hanampy trotraka ny tsy fahombiazan’ity ben’ny tanàna teo aloha voalaza teo ity ihany koa ve ny ben’ny tanàna vaovao sa hanarina ny tsy fahombiazana rehetra tamin’izany fitantanany izany? Hanao ahoana ny fandaminana ny fifamoivoizana? Hanao ahoana ny famongorana ny tsy fandriampahalemana sy ny fandaminana ny tsena? Heverina fa isan’ny fanontaniana fototra ireo ary andrasana asa maika avy amin’ny ben’ny tanàna vaovao izay mbola tsy ahitan-teny firy hatreto.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT