Efa mihoatra ny tsipika mena ny Fitondrana

Hisy fipoahana alohan’ny Fivorian’ny SADC ?


  • Alatsinainy 24 Febroary 2025

Efa nihoatra indray ny tsipika mena ny fitondran’i Andry Rajoelina tamin’ny nanakatonany

ny foiben’ny antoko HVM. Fikafika politika mivaivay io, natao hanodikodinana ny fiheveran’ny olona taorian’ny faharesena mangidy azon’ny fitondrany nandritra ny fifidianana tao amin’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikana, hoy ny mpandinika. Tsy nahomby i Richard Andriamandranto, kandidà ofisialin’ny governemanta malagasy, ka niteraka henatra izay sarotra ho an’i Andry Rajoelina hanafina izany, indrindra fa eo anatrehan’ny fitomboan’ny lazam-pankasitrahana azon’ny filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina. Manoloana izany fahadisoam-panantenana izany dia nisafidy ny hiroso amin’ny karazana valifaty sy fihantsiana i Andry Rajoelina, mba hanaronana ny tsy fahombiazany. Dia iny fa sahy nilaza ampahibemaso fa mila fongorina ireo mpanohitra lazainy fa olom-bitsy nanao fanaratsiana an’i Richard Randriamandranto. Raha ny mpanohitra tokoa no tsy nahalany io kandidany io, moa tsy tokony handinin-tena ve izany i Andry Rajoelina sy ny ekipany fa manana ny tanjany ny mpanohitra izay lazaina fa olom-bitsy kanefa nahavita « lobbying » ara-tserasera ka nampitsanga-menatra ny fitondrana Rajoelina, izay tsy nasian’ny olona vidiny tany Afrika, kanefa lazaina fa mpitarika mendrika indrindra. Miharatsy ny toe-draharaha ara-politika, kanefa maneho fa manana fahatokisan-tena sy miantehatra mafy amin’ny manam-basy ny fitondrana, manao pimaso goavana amin’ny alalan’ny tombotsoa be, fizarana galona, fividianana fitaovana,… Mihamafy ny hetraketraka politika amin’ny alalan’ny fandrahonana sy ny fanenjehana ary fanagadrana,... Heverina fa isan’ny mitarika ny mpanohitra hampitovy tadin-dokanga toy ny fivoriana teny Faravohitra ny faran’ny herinandro lasa teo nahitana ny solontena avy amin’ny hery politika samihafa avy amin’ny fanoherana. Matoa tonga amin’izany dia misy ny fahatsapana fa ilaina ny famondronan-kery sy fampitoviana fijery manoloana ny toe-draharaham-pirenena, na ekena aza fa nafana sy nangotraka ny adihevitra.

MITOVITOVY AMIN’NY 2009…
Mitombo ny karazana hadisoana na « dérapage politique », efa maneho mivantana na an-kolaka an’ilay teny nataon’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2009 hoe : « Tsapao aloha ny herinareo ». Ireny efa nolazain’ny Jeneraly misotro ronono Richard Ravalomanana ireny hoe : tsy haharesy basy ianareo. Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, fotoana tokony handaminan’i Andry Rajoelina ny toe-draharaha izao mialohan’ny handraisana ny Fivoriamben’ny SADC sy handraisany ny toerana ho Filohan’izany afaka 6 volana. Toa vao mainka anefa ny Fitondrana mandrehitra afo. Hodiana tsy tsaroana fa ny fanakatonana haino aman-jery no isan’ny nandrodanana Fitondrana tamin’ny 2009 kanefa izao manidy foiben’Antoko ? Adino ve fa nialohan’ny nandraisana ny fivoriamben’ny Vondrona Afrikanina no nanonganana sy nionganan’i Marc Ravalomanana ny taona 2009 kanefa mialohan’ny handraisana ny Fivorian’ny SADC no mandrehitra afo ara-politika?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT