Efa ataon’ny olona resaka

Tsy fahaiza-mitantana no mampikoroso fahana an’i Madagasikara


  • Zoma 12 Janoary 2024

Mampalahelo fa ataon’ny any andafy fanalan’andro ny mpitondra eto Madagasikara… « Amateur »

hoy izy ireo ; azo adika tsotra hoe miana-draharaha, tsy mbola matotra, tsy matihanina. Ny fampanantenana sy ny nofinofy mipoapoaka, kanefa rehefa tena jerena ny asa, maivana be . Ny 80,7% n’ny Malagasy no mahantra, ny 51% n’ny Malagasy no sokajiana ho tsy isakafo araka ny tokony ho izy raha toa ka iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ny 12% n’ny mponina. Anatin’ny sehatra tsy manara-dalana ny 80% n’ny asa eto.Ampy hamintinana ny fahantrana izay vokatry ny tsy fahaiza-mitantana ny firenena ireo.
TSY FAMPANANTENANA NO ILAINA FA ASA
Dia mbola fampanantenana ihany no asesiky ny mpitondra amin’izao fotoana fa tsy misy fandaharan’asa sy paikadim-pampandrosoana afaka refesina sy misy tetiandro mazava ihany.Tsy fanampiana amina resaka vonjy ranovaky mihitsy no hampisondrotra ny fahefa-mividin’ny Malagasy fa fampitomboana ny asa sy ny famokarana. Firenena manana tany tena mbola midadasika i Maagasikara kanefa dia manafatra vary, izay foto-tsakafon’ny mponina ao aminy ; ary ny tena loza dia tadiavin’ny sasany aparitaka eto ny vary efa simba, inona fa tsy tena fanimbazimbana ny hasin’ilay Malagasy mihitsy izany. Tsy hita mihitsy izay antony , ohatra tsy hametrahan’ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny fambolena tanjona mazava hoe : ampitomboina 2 avo heny ny voka-bary manerana ny nosy ato anatin’ny 2 taona manaraka, dia ampifanarahana amin’izay ny ezaka atao rehetra.Mbola azo itarina anya mina seha-pambolena hafa io, any amin’ny fiompiana ihany koa.
TSY MAINTSY MAMOKATRA ALOHA
Fa raha mbola hanafatra sy hividy entana avy any ivelany aloha no atao maha maika sy dodona satria mety misy akamakama mahazo tombony amin’ny fanafarana entana sy fitsinjarana izany eto dia ho faty noana no sady bokan-trosa eto Ramalagasy. Raha mpitondra tena mahay mitantana sy miasa saina amin’izay hahasoa ny vahoakany dia milofo amin’io resaka fambolena, fiompiana, famokarana sy fanodinana ny vokatra io. Manaraka ny sisa avy eo satria vahoaka noana izany tsy afaka ny hamokatra. Raha io no voalamina , ho mora kokoa ny hanatsara ny isan-tsehatra. Fa ny fanontaniana dia ny hoe : manana fahaizana amam-pahalalana hanatanteraka izany ve ny mpitondra amin’izao fotoana ? Manana fahavononana ara-politika hikaroka marina ny mahasoa ny Malagasy ve sa lany andro amin’ny fanandratan-tena sy faminganana ny hafa fotsiny.
RTT
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT