Politique

Edouard Tsarahame “Tsy hiaraka hitantana aminareo izahay e !”


  • Talata 20 Desambra 2022

Nanao jery todiky ny zava-bitany tamin’ity taona ity ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM.

Nijoro tamin’ny fotokeviny hatramin’ny nanorenana azy hatramin’izao ny RMDM, hoy ny filoha lefitr’izy ireo, Tsarahame Edouard, tetsy Bel’Air Ampandrana omaly. Nezahana naparitaka manerana an’I Madagasikara izany ary isaorana an’Andriamanitra fa efa tafapetraka manerana ny faritra 23 ny RMDM, hoy izy. Hiroso amin’ireo distrika miisa 119 isika. Raha misy milaza azy ho mpanohitra dia isaoranay ary mbola raisinay an-tanan-droa satria mitovy fomba fijery isika. Manana fomba fijery samihafa izahay satria mpanao politika maro samihafa. Harena lehibe hananan’ny RMDM ny hevitra satria mpanao politika samihafa no mivondrona ho iray. Na dia nisy aza ny sakantsakana dia tsy nijanona nanatratra ny tanjony dia ny ahitana vahaolana amin’ny olam-pirenena ankehitriny ny RMDM. Tsy vitanay ny hamaly izany hetahetan’ny vahoaka izany raha tsy misy rafitra hitantanana hahatongavana amin’izany. Taonan’ny fijoroana fahasahiana napetraky ny filohan’ny RMDM ny taona 2022. Nijoro ary nampiseho fa manana fahasahiana ny RMDM. Tsy hitoraka voninkazo ny mpitondra no asanay fa hitsikera mba hipoiran’ny vahaolana. Diso adiresy ny mpitondra raha hiandry anay hitoraka voninkazo azy. Fanakianana mandrivorivo ho fanatsarana ny fitantanana ny firenena no aty! Namafisintsika fa ilain’ny mpitondra ny fiheritreretany fa ho tapitra amin’io taona hoavy io ny taom-piasany. Sao dia miheritreritra izy fa mbola hitondra amin’ny 5 taona manaraka? Tapitra amin’ny taona 2023 ny fe-potoananareo ary efa namafisinay teto fa tsy hiara-kitantana aminareo izahay, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT