Edouard Tsarahame

«Hitahiry olana isika sa hamaha olana?»


  • Zoma 05 Septambra 2025

Nampimpoitra zavatra maro ny fahombiazan’ny Barea,

hoy ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM, Edouard Tsarahame. Tsy nisy ny fampanantenana hanao «villa» na trano tsara tarehy ho an’ireo mpilalaon’ny Barea raha tsy nisy ny fahombiazan’izy ireo, hoy izy. Ny Barea no nampimpoitra hoe hay misy «villa» miisa 30 ho ataon’ny fitondràm-panjakàna. Efa nandalo ny hoe trano mora. Mbola tsy hitantsika ny nitokanana azy mandrak’ity ny androany. Ity «villa» vao hoe ho aorina dia ho hitantsika eo izany ny fizotrany. Miresaka ny mpanohana ny fitondràna fa ny filohan’ny repoblika no vahaolana amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena. Enga anie mba ho marina izany satria tsy misy ilàna ny mpanohana ny fitondràna no dikan’izany! Tsy misy ilàna solombavambahoaka, loholona, mpikamban’ny governemanta. Tena ohatran’ny voaporofo izany voalazan’ny mpanohana fitondràna izany satria tena ohatran’ny tsy misy ilàna azy ireo tokoa, eny, na ny governemanta aza satria tsy misy zavatra voavahany. Tsy mandalo parlemantera ny zavatra resahin’ny filohan’ny repoblika. Tonga dia mamoaka vola izy fa tsy misy hoe ity misy tetibolam-panjakàna na ohatran’izany. Gasy ve io filohan’ny repoblika io? Raha resa-pifidianana aloha hatreto no resahina dia tena manjavozavo tanteraka. Na ny mpikarakara fifidianana na ny olona hifidy na ny olona hirotsaka ho fidiana. Hitahiry olana isika sa hamaha olana? Tsy hitako ny antony tsy hiresahana hoe inona no tena lesoka momba ity fifidianana misesisesy teto amin’ny firenena ity? Hanao fifidianana loholona nefa misy toerana mbola tsy misy ben’ny tanàna. Ny mpanolontsain’ny tanàna tsy misy. Mbola mila mandalo filankevim-panjakàna, fandravàna didy na «cassation», izany no misy eto nefa isika andeha hanao fifidianana loholona. Nofidiana tamin’ny fomba tsy ara-dalàna koa ireo loholona ireo. Mbola hanohy izay tsy fanarahan-dalàna izay foana izany isika eto. Mikasina ny fandravàna governemanta dia efa ela izahay no niteny fa tsy misy azo antenaina amin’ity governemanta Ntsay Christian ity. Tsy manantena na inona na inona amin’ity governemanta ity izahay saingy io no misy eo dia raisinay ho mpiray tsikombakomba aminy andriamatoa filohan’ny repoblika izay nanendry an’io. Na inona na inona misy eto dia ao anatin’izay ny filohan’ny repoblika. Voasaringotra anaty raharaha «Triple 7» ny minisitra iray notendren’ny filohan’ny repoblika dia ao anatiny izy, hoy hatrany ny filohan’ny RMDM.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT