Edgard Razafindravahy

> Hiala amin’ny fahanginany


  • Alakamisy 07 Novambra 2013

Nisafidy ny datin’ny anio zoma 7 novambra mba hilazany ny heviny momba ny fifidianana sy ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny Atoa Edgar Razafindravahy, kandida nofinidin’ny antoko TGV nandritra ny kongresiny.

Voatsipaka am-bavafo ihany anefa izy rehefa tena nandeha ny fampielezan-kevitra satria i Hery Rajaonarimampianina no tena hita fa nifanotofan’ny olon’ny TGV sy ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny filohan’ny tetezamita. Manodidina ny 4,50%-n’ny vato manankery no azon’i Edgard Razafindravahy tamin’ny ankapobeny, tamin’ny fihodinana voalohany ary laharana fahafito izy izany raha ny isam-bato no jerena. Inona ary no mety hambaran’ity mpandraharaha ara-toekarena avy PDS-n’Antananarivo Renivohitra ity ? Ny tena andrasan’ny maro dia iza no kandida mety hotohanany amin’ny fihodinana faharoa ? Ny Dr Robinson Jean Louis tohanan’ny ankolafy Ravalomanana ve sa i Hery Rajaonarimampianina kandidam-panjakana tohanan’i Andry Rajoelina sy ny ankolafiny ? Sa tsy hanohana kandida ingahy Edgard fa dia hanome safidy malalaka ireo olona nifidy azy ? Andrasan’ny maro ihany koa izay mety hambarany tamin’ny nanilihan’ny ankolafy Rajoelina azy tampoka, zavatra tena marina ve ilay izy sa sinema ? Vita divorsa tanteraka amin’i Andry Rajoelina ve izy sa inona no tena marina ? Misy ny feo mandeha milaza fa hanohana ny Dr Robinson Jean Louis Atoa Edgard Razafindravahy amin’ny fihodinana faharoa. Siosion-dresaka fotsiny ve izany sa tena mitombina ? Ho hita eo ny marina anio alina ao amin’ny RTA.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT