Durlin Retogniane

«Tsy nahay naka lesona sa tsy manam-bola ny fitondrana?»


  • Alarobia 25 Septambra 2024

Tokony hiheritreritra ny fitondram-panjakana manoloana izao fahalainan’ny olona

hirotsaka amin’ny fifidianana kaominaly izao, hoy ny antoko politika Fiombonana, satria adidin’ny fitondram-panjakana ny manao izay haha maro an’isa, tsy ny kandida ihany fa indrindra ireo mpifidy izay manan-jo isafidy izay olona tiany hitondra ny tanàna misy azy. Tokony mametra-panontaniana ny fanjakàna, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Durlin Retogniane, hoe inona no mahatonga ilay fahavitsian’ny olona tonga nandrotsaka dosie teny anivon’ny OVEC izay? Manohintohina ny safidin’ny vahoaka koa izany satria mety tsy havitrika ireo vahoaka ireo rehefa tsy hitany ao ilay kandida tiany hitondra fampandrosoana ao amin’ny kaominina misy azy. Fifidianana tena manakaiky vahoaka ity. Efa hitantsika ny lesoka tamin’ny fifidianana depiote dia anjaran’ny fitondram-panjakana izany ny mijery hoe ahoana no hanatsarana ny fifidianana kaominaly. Tsy nahay naka lesona sa tsy manam-bola ny fitondram-panjakana? Azo heritreretina koa tsinona izay faharoa izay hoe tsy manam-bola izy dia mijery hoe ahoana no fomba tena ahafahana mijery ireo kandida manam-bola afaka hametraka izay dosie izay eny anivon’ny OVEC mba hahafahana mamatsy vola ny CENI ihany koa? Ny tanjon’ny fitondram-panjakana tsinona dia hoe ahoana no hahafahana manilika ireo kandida mety hanelingelina azy. Mifanohitra amin’ilay tanjona ho an’ny fitondram-panjakana tena mandala demokrasia dia ny haha maro an’isa ny kandida sy mpifidy nefa izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT