Politique

Durlin Retogniane “Niova paikady ny fitondrana”


  • Alarobia 22 Febroary 2023

Tsy dia nanome endrika vaovao amin’ny antsoina hoe tontolo politika eto Madagasikara ny fanovana governemanta, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane.

Niova stratejia ny fitondrana raha ny fahitako azy, hoy izy, satria raha hijery fotsiny isika izao mikasika ny minisitry ny fiarovam-pirenena dia novaina. Ny minisitry ny raharaham-bahiny dia novaina vehivavy nisolotena an’I Madagasikara teo anivon’ny UNESCO. Nanakaiky an’I Rosia isika teo tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Mivadika aty amin’ny tandrefana indray izany izao. Akaiky ny fifidianana ka mpamatsy vola izany voalohany ny vondrona eoropeanina, amin’ny alalan’ny “Basket fund”. Mbola tsy ahitana taratra izany vola izany nefa ao izao. Mety mbola betsaka koa ny fitaovana ilain’ny CENI nefa mbola tsy ao. Ny CENI anefa efa nanome datim-pifidianana. Mampametra-panontaniana koa anefa ny antony nanoloana ny minisitry ny asa vaventy satria nilaza ny filoham-pirenena fa hajanona daholo ny fotodrafitrasa. Eo ny filana fanamboarana ireo lalana izay tena potika amin’izao fotoana izao sy ireo tetezana tapaka. Ay ve manan-danja amin’ny fitondrana ihany ilay fanamboarana fotodrafitr’asa na dia nilokaloka aza izy fa hifantoka bebe kokoa amin’ny sosialy, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT