Politique

Drafitra be dia be hatramin’ny 2019 Tsy hita fiatombohana, tsy hita fiafarana


  • Alatsinainy 09 Janoary 2023

Nampahafantarina toy ny drafitra fototra hitondran’izao fitondrana Rajoelina izao ny tany sy ny firenena ny antsoina hoe “Plan Émergence Madagascar»

na drafitra fanandratana an’i Madagasikara, izay nolazaina fa niainga tamin’ny finiavana hanandratra ity firenena ity na IEM, izany hoe “Initiative pour l’Emergence Madagascar”. Taorian’izay dia nisy koa ny atao hoe «Plan Marshall» na drafitra Marshall, izany nambaran’ny filoham-pirenena ny taona 2020 fa nanokanan’ny fanjakana malagasy tetibola 1.044 miliara Ariary ho fanarenana ny takaitra navelan’ny COVID 19. Mampametra-panontaniana hoe mbola tadidin’ny tompo-kevitra aza ve ny fisian’izany satria dia tsy hita fiatombohana, tsy hita fiafarana hatramin’izao aloha ilay drafitra? Mbola nisy an’izany hoe “Plan national de Reconstruction des dégâts” izany koa, izay nampahafantarina ny febroary 2022 taorian’ny fahitan’ny filoham-pirenena ny faharotehan’ny lalana ao Alaotra Mangoro. Teo koa ny “Plan de Redressement post-saison cyclonique”, teo anelanelan’ny martsa sy aprily 2022 ary nankalazaina fa hoe nahazoana 415 tapitrisa Dolara tamin’ny banky iraisampirenena moa ity drafi-panarenana ireo takaitra navelan’ny rivodoza ity. Mijery ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny anefa, ny fitarainan’ireo tantsaha manoloana ny tsy fahafaha-mamokatra araka ny tokony ho izy sy ny fahalafosan’ny vidin-jezika, ny haratsian-ireo lalana toy ny faharoa na RN2, ny faha 6 na RN6, ny faha 7 na RN7, ny faha 34 na RN34, izay vao matetika notanisain’ireo mpanara-baovao sy nidina ifotony tany amin’ireny toerana ireny tato ho ato moa izany rehetra izany dia mampametra-panontaniana hoe nankaiza daholo izany tetikasa rehetra izany, indrindra, ireo famatsiam-bola ni-werawerana hanatontosana azy ireny ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT