Dr Tiana Zhy

« Betsaka ny mpanao politika eto fa vitsy ny tena mahay »


  • Alatsinainy 16 Septambra 2024

Betsaka ny mpanao politika eto Madagasikara hoy Dr Tiana Zhy Andrianarisaina mpandinika

fiarahamonina no sady mpanabe fa vitsy ny tena mahay izany. Ny tena mpanao politika mantsy dia nambarany fa namany avokoa izay Fitondrana mijoro eo, tsy matahotra ny hosamborina fa tadiavin’ny olona aza ary mametraka tsangam-bato sy dian-tanana eny anivon’ny fiaraha-monina. Ny olona mahay politika ihany koa hoy izy dia tsy manaraka ny politikan’ny mpanao politika ka hivaro-tena mba hanimbana fiainana fa mahay mijery ny politikan’ny fiainany sy ny vady aman-janany amin’ny ho avy rehetra mba hampivoatra azy fa tsy sanatria hanimba azy. Tsy ny volakely izay mandalo mihitsy hoy Dr Tiana Zhy no hanimbana ny ho avy manontolo. Nivoitra izany ny Sabotsy 14 Septambra teo nandritra ny kaonferansa momba ny politika sy ny fanabeazana notanterahiny teny amin’ny EPP Tanjombato. Olona manodidina ny 20 isa teo ho eo no nangataka izany taminy izay mba hahafahan’izy ireo manomana ny ho avy aviny. Tsy tafiditra anaty lisitry ny Ben’ny tanana hofidiana izy ireo raha ny fantatra saingy inoan’ny Dr Tiana Zhy kosa fa efa miomana ho amin’izany amin’ny fotoana manaraka. Tanjona tamin’izao kaonferansa izao ny hanamboarana ny toe-tsaina amin’ny fanaovana politika mba tsy hanimba ilay olona izany fa hampivoatra azy kosa. Notsiahiviny moa fa tsy ratsy ny manao politika raha voafehy sy hay tsara izany. Ny endriky ny fanaovana politika eto Madagasikara no simba hoy hatrany izy, antony mampihemotra ireo olona te-hiditra amin’ny fitantanana.
Pati
Legende : Izy no Dokotera Tiana Zhy Andrianarisaina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT