Nidina an-kianja teny amin’ny Magro Behoririka ny talata 24 desam bra teo ny kandidŕ Robinson Jean Louis notronin’ireo kandidŕ solombavambahoaka avy amin’ny ankolafy Ravalomanana niara-nankalaza ny “Krismasy Fandresena” niaraka tamin’ny mpitolona tsy mety sasatr’ity toerana ity.
Noporofoiny tamin’ny fitanisana ireo voka-pifidianana azo tamin’io andro io fa mandresy amin’ny salanisa ambony dia ambony izy avy amin’ireo birao fandantsaham-bao niisa 2638 azo amin’ny 20.001 misy manoloana ny kandidà Hery Vaovao. Noraisiny ohatra tamin’izany ny teto amin’ny Faritra Analamanga izay 57,97 no azony raha 42, 03 ny an’i Hery Vaovao. Any Bongolava dia mitarika amin’ny 66,83% izy raha 33,17% ny an’ny mpifanandrina. Any Itasy dia 65,06% ny an’i Dr Robinson raha 34,94% ny an’i Hery Vaovao. Any Vakinankaratra koa dia mitarika isika, hoy izy, fa 57,40% no azo raha 42,60% ny an’ny Hery Vaovao. Ireo rehetra ireo anefa, hoy izy dia tsy taterina amin’ny Radio sy Televizion’ny fanjakana (RNM sy TVM) ary dia miray tsikombakomba amin’izany koa ny CENI-T. Na inona anefa anefa fangalarana atao dia “Veloma, fa mandresy izahay” hoy izy. Izao dia mitady hamboly korontana eto amin’ny firenena indray ny sasany, hoy ihany i Dr Robinson ka anisan’izany ny fanaovana antsojay amin’ny jeneraly Camille Vital fa nanohana antsika, eo koa ny hoe raha vao tsy lany eo ny tenany dia hosamborina. Koa tsy maintsy miteny izany izahay, satria be loatra ny hala-bato. Miantso ireo izay manana porofo mazava amin’izany hala-bato nataon’ny mpifaninana aminy izany i Dr Robinson Jean Louis mba tsy hisalasala fa hiantso ny laharana maitso 033 33 303 33.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.