Dr Robinson Jean Louis

> Potehana amin’ny fanelezana tsaho ?


  • Alakamisy 09 Janoary 2014

Tena misy mihitsy ny vondron’olona minia manaparitaka vaovao tsy marina sy tsy mitombina tato ho ato izay. Efa fomba fiady ihany moa izy io mba hanakiviana ny olona izay mety miara-dia na miandany amina kandida iray.

Lasibatra indray i Dr Jean Louis Robinson omaly. Nambarana tranonkala iray fa «manaiky ny fahareseny izy ary efa niarahaba an’i Hery Rajaonarimampianina, hono». Maro be ny adihevitra sy fanehoan-kevitra taorian’ny nivoahan’io vaovao tselatra tamin’ny internet io. Haingana dia haingana moa ny fiparitahan’ny vaovao noho ny fisian’ny tambajotra tahaka ny facebook sy ny tweeter koa dia olona maro be teto an-toerana sy tany ivelany no nahafantatra avy hatrany io resaka io. Nambara fa mpanao gazety Frantsay niresaka tamin’ny Dr Robinson Jean Louis no nahazo ny vaovao. Rehefa nanontaniana anefa ny tao amin’ny Avana sy ny ankolafy Ravalomanana dia nilaza mazava tsy ampihambahambana fa diso io vaovao io ary tsy misy an’izany Dr Robinson manaiky resy izany. Mety paikady natao mba hanakiviana sy handemena ny sain’ny mpomba ny Dr Robinson angamba io famoahana vaovao diso io, ary mety efa tafiditra anaty tetikady politika avo lenta. Azo heverina ihany koa fa mety misy resaka volabe ambadik’izao resaka izao.

Efa fanintelony izao no namoaka vaovao diso sy tsy mitombina momba an’i Dr Robinson sy ny mpiara-miasa aminy na ny olona akaiky azy ity tranonkala iray ity. Tsy azo heverina fa isaky ny maka vaovao momba ny kandida laharana faha-33 tao amin’ny bileta tokana ry zareo dia mahazo vaovao diso foana. Azo natao anie ny niantso mivantana ilay olona raha misy fanamarinam-baovao ilaina e ! Tsaroana ihany koa fa efa henjana ny eson-tenin’ity tranonkala iray ity rehefa nitsipaka ny voka-pifidianana i Dr Jean Louis Robinson. “Ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa  ao raha”, hoy ny Malagasy. Tsy azo heverina ho fifanandrifian-javatra fotsiny izao famafazan-dainga sy fanaparitahana vaovao tsy marina momba an’i Dr Jean Louis Robinson izao fa misy tanjona mazava. Ny mpanaraka ny vaovao politika dia efa mahazo sary an-tsaina ihany izay ao ambadik’izao fanaparitahana tsaho izao.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT