Ambentin-dresaky ny olona ao amin’ny faritra Amoron’i Mania ankehitriny ny resaka fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina amin’ny 20 desambra ho avy izao.
Efa maro ireo mpanao politika sy ireo kandida depiote no manao kajikajy hanohana ny iray amin’ireo kandida roa tafakatra amin’izany. Ambaran’ireo mpanao politika sasany izay nanohana ny kandida nahazo vato latsaky ny 10% tamin’ny fihodinana voalohany teo fa izay kandida ironan’ny vahoaka no tokony hotohanana dia ny kandida atolotry ny ankolafy Ravalomanana. Mila mailo, araka izany, ireo komity mpanohana an’ny Dokotera Robinson Jean Louis fa misy amin’ireo mpanao politika nanohana kandidan’ny mpitondra tetezamita sy efa zatra mpisolelaka ireo no sahy milaza fa hiaraka hiasa. Efa difotry ny fahantrana ny vahoaka Malagasy noho ity tetezamita tsy namokatra ity, hoy ny ankamaroan’ny olona ka tsy mila averina hitondra intsony ireo mpanao politika namotika firenena hatramin’izay. Misy amin’ireo mpanao politika ao Amoron’i Mania ireo no manana tanjona ny hahazoany vato betsaka amin’ny fifidianana solombavambahoaka no antony hanohanany an’ny Dr Robinson Jean Louis ka tokony ho mailo ny rehetra.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.