Dr Robinson Jean Louis

> Mijoro ny vovonana hampandany azy


  • Alatsinainy 09 Desambra 2013

Nitohy tsy misy fitsaharana ny fitetezam-paritra ataon’ny kandida dokotera Robinson Jean Louis, ampahafantarany ny fandaharan’asany raha mby eo amin’ny fitantanana ny firenena ny tenany. Tany Matsiatra Ambony, nitety an’ Ambohimahasoa sy Fianarantsoa iny izy mivady ny sabotsy teo.

Niara-dia taminy ny talen’ny fampielezan-keviny Mangalaza Eugène sy Neny Lalao Ravalomanana, teo koa i Manandafy Rakotonirina. Vahoaka maro no efa niandry azy ireo tao amin’ny kianjan’Ampasambazaha ary tsy nisy niala na dia teo aza ny oram-baratra. Nampahafantarana nandritra io fotoana io ny fijoroan’ny vovonana manohana sy hampandany azy amin’ny fihodinana faharoa. Mivondrona ao avokoa ny hery velona rehetra sy ireo namana hatramin’izay sy ny vaovao, hoy Atoa Robinson Jean Louis, tetsy Dorodosy, Kaominina Ambohijanaka omaly, nanoloana ny vahoakan’Atsimondrano vory maro nanotrona azy. «Manentana ny faritra hafa aho mba hanao an’i Fianarantsoa ho filamatra», hoy izy nanohy ny teniny sady nanome toromarika ireo mpanohana azy mba ho mailo. Miasa mafy mantsy ny vola ankehitriny aparitaky ny mpifanandrina : 25 tapitrisa isaky ny Distrika, 13 tapitrisa isaky ny Kaominina. Alaivo ny vola fa aza manaiky vidina, ka eto aho dia misaotra ny vahoaka tsy voavidy ary anisany ianareo aty Atsimondrano, hoy hatrany izy. Ny hery sy ny vola tsy mahaleo ny fanahy ka araho maso ny safidinao aoka tsy hatoritory. Nohamafisiny indray omaly fa “ela izahay no nangataka ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ka hampodiana izy vao lany aho satria fampihavanana tsy misy Marc Ravalomanana izany tsy fampihavanana”.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT