Dr Robinson Jean Louis

> Hanao fanadihadiana mialoha ny handraisany ny fahefana


  • Talata 24 Desambra 2013

Eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialin’ny filohan’ny Repoblika vaovao hitantana ny firenena Malagasy mandritra ny 5 taona, dia nanambara ny kandida Robinson Jean Louis fa tsy maintsy hiroso amin’ny fanadihadiana ireo andrim-panjakana rehetra nandritra ny tetezamita ny tenany mialoha ny hiakarany eo amin’ny fitondrana.

Antony iray hanaovana azy io ny fanatanterahana ara-bakiteny ny fitantanana mangarahara izay nanjavozavo ihany tao anatin’izay efa-taona mahery izay, fa indrindra indrindra hamerenana ny fifampitokisana amin’ny vahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola amin’i Madagasikara. Nanamarika Atoa Razafimihary Mejamirado, mpanolotsainan’ny kandida fa fitsarana mahaleotena no hiandraikitra ny asa amin’izany. Hanafoana tanteraka ny fifanenjehana ara-politika izay miverimberina hatrany io fanapahan-kevitra noraisina io. Hampiantso ireo mpiantsehatra sosialy sy ara-toekarena ho famondronan-kery hanarenana ny firenena avy hatrany no dingana manaraka aorian’io, hoy ny fanampim-panazavana. Hisy ny fandrafetana fifanaraham-piaraha-monina amin’ny lafiny rehetra hamatotra ny fanjakana sy ireo hery velona ireo mba hialàna amin’ireo fitakiana tsy ho tanteraka. Ny tanjona lehibe ho an’ny ankolafy miara-dia amin’ny kandida Robinson Jean Louis dia ny fiarovana ireo harem-pirenena sy ny fomba hitrandrahana izany mba hifanaraka amin’ny tombontsoa iombonana. Tsy afaka ny hitoka-monina i Madagasikara, hoy Atoa Razafimihary Mejamirado manoloana ny fanatontoloana saingy ny fiaraha-miasa rehetra dia tsy maintsy baikon’ny tolotra sy ny tinady ary tsy hisy firenena vahiny ahazo tombony manokana.

 

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT