Tahaka ny hetsika natao tamin’ny faritra maro nanerana ny Nosy dia nitovizan’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra nataon’ny ankolafy Ravalomanana amin’ity fihodinana faharoa ity, ny zoma 29 novambra, ny fitondrana izany am-bavaka araka ny toromarik’i Neny Lalao Ravalomanana.
Tao Antsirabe dia nisy fotoam-bavaka lehibe natao teo amin’ny kianjan’ny Foiben-toeran’ny Antoko Zanak’i Dada avaratry ny Tsangambaton’ny fahaleovantena. Taorian’izay dia nisy ny fandraisam-pitenenana fohy nataon’ireo kandidà ho solombavambahoaka ka saika niompana amin’ny fiarahana mampandany ny filoham-pirenena sy ny kandidà solombavambahoaka ny resaka mba tsy handiso fanantenana ny vahoaka raha toa ka tsy matanjaka ny fitondrana. Fanambin’ireo rehetra nandray fitenenana ny hampiakatra ho ambony dia ambony ny isam-bato azon’ny kandida Dr Robinson Jean Louis sy ireo kandida solombavambahoakan’ny ankolafy Ravalomanana amin’izao fihodinana faharoa izao. Nitohy tamin’ny diabe nanodidina ny tanànan’Antsirabe ny hetsika taorian’izay no sady fampisehoana koa ny kandidà ho solombavambahoaka avy amin’ny ankolafy Ravalomanana izay nahazo ny tso-dranon’i Dada Ravalomanana. Nampahafantarina ny vahoaka nandritra izao diabe izao koa fa ho avy hitsidika ny tanànan’Antsirabe ny kandidà Dr Robinson Jean Louis amin’ity sabotsy 30 novambra ity ka eny amin’ny kianjan’ny Piste Vatofotsy no ho ambohipihaonana amin’izany. Hitorajofo indray Antsirabe, araka izany.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.