Hotanterahana ny 11 janoary 2016 ny fifidianana fanavaozana ireo mpitantana sy tompon’andraikitra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo.
Anisan’ny kadida hifaninana ho « Responsable de Domaine Sciences et Technologies » na sojaben’ny fakiolten’ny Siansa ny Dr Randrianasolo Rivoarison. Nianatra manokana momba ny Simia, manana traikefa amin'ny fitantanana sekoly ambony sy fitantanana amin'ny ankapobeny (Administration et Gestion) sady manana ny maripahaizana « Doctorat en Chimie » ny tenany no mbola nianatra ihany koa ny resaka fitantanana orinasa teo anivon’ny INSCAE. Niofana tany Alemaina ny Dr Randrianasolo Rivoarison tamin'ny fanomanana ny doctorat. Nambarany, araka ny resaka nifanaovana taminy, fa havanana amin'ny resaka fifampiraharahana ny tenany ary manana mpiara-miasa maro indrindra ny amin’ny resaka ara-tsiantifika. Ankoatra ny traikefa 13 taona ananany amin'ny sehatry ny fampianarana ambony dia efa namoaka boky sy tahirin-kevitra maro teo amin'ny sehatry ny fikarohana ihany koa ny tenany. Faniriany ny hitondra fanavaozana sy fanatsarana ao amin’ny departemantan’ny Siansa eny amin’ny oniversiten’Ankatso raha toa ka mametra-pitokisana aminy ireo mpifidy. Ny 04 janoary 2016 moa no hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny propagandy amin’ity fifidianana eny Ankatso ity, tsikaritra fa miha tanora ireo kandida mpifaninana isaky ny departemanta.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.