Araka ny teny filamatrany hoe «Tanora vonona hanasoa an’Ambohimanarina» dia tsy mitsahatra manasoa ireo vahoakan’ny Boriborintany faha-6 ny kandida ho solombavambahoaka laharana faha-15 Dr Ramananarivo Miharisoa.
Tao Anosivavaka omaly maraina no nanatontosany niaraka tamin’ireo mpiara-dia aminy fizaham-pasalamana maimaimpoana. «Sahirana loatra ny vahoaka, hoy ny Dr Miharisoa ka na ny mitsabo ny tenany aza tsy vitany. Izany indrindra no mahatonga ny tenanay hanatanteraka hetsika tahaka izao». Samy maimaimpoana avokoa moa na ny fitsaboana amin’ny ankapobeny na ny fanafody na ny fitsaboana nify sy ny fahasalaman’ny ativava, ny fanaovana ireo fitiliana manokana tahaka ny “échographie” sy ny “électro cardiogramme” io omaly. Nahitana karazan’aretina tokoa io omaly io ka tao ny reny mitady ho afa-jaza tao koa ireo zazakely misy fery ny tanany vokatry ny ratra tsy voatsabo ... Ao Ambohimandroso Ambohimanarina no hahazo ny hetsika tahaka izany anio maraina raha efa nahazo izany kosa ny tao Ambodihady sy Tanjombe.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.