Samy manana ny fahitany ny raharaha politika ankehitriny ny maro, anisan´izany ny Dr Rakotomalala Harry, izay mpanara-baovao politika ary miaina sy mahita ny fahantran´ny Malagasy amin´ny maha mpitsabo azy.
Mikasika ny praiminisitra voavao dia milaza ny Dr Rakotomalala Harry, fa «olon´ny vanim-potoana tanteraka sy mendrika amin´ny toeran’izany izy ary olona mahay tsara ny politika malagasy ary diplomaty. Ka raha tiana ny hiala haingana anatin´izao krizy sy fifandroritana ara-politika, dia olona tahaka azy no afaka hanao izany». Nohamafisiny ihany koa fa «raha ny fahaizan´i Omer Beriziky, dia mino tanteraka aho fa hivaha haingana ny olana misy antsika, satria raha ny zava-misy dia hita fa samy vonona ny hiala amin’ny krizy avokoa ny rehetra, eny fa na ireo nifanandrina sy nifamono aza».
Hentitra kosa anefa ny Dr Rakotomalala Harry nilaza fa «sao tsy ho zakanareo ny hatezeram-bahoaka raha tsy mbola hivaha eo ny krizy. Raha tezitra amin´izao ny Malagasy, izay efa hitanay mpitsabo ny fahoriany sy ny tsy fahazakany intsony ny olam-piainana, dia vao mainka ho potika eto indray ny firenena». Raha ny ho tohin´ny raharaha indrindra eo amin´ny fametrahana ny governemanta iarahana, dia nilaza ny Dr Rakotomalala Harry, fa «mbola misy zavatra halamina ao, matoa mbola misy fivoriana sy fihaonana etsy sy eroa, ny sarovoroan-kilatoana. Tsy azo atao ambanin-javatra anefa ireny, fa tokony hodinihina sy heverina, mba teny hilamina amin´izay ny olana misy, fa efa hifarana ny taona nefa ny Malagasy miha-mahantra andro aman´alina». Tahaka ny malagasy rehetra ny tenako, hoy izy, miandrandra filaminana, fifandaminana ary fifandeferana ho an´ny mpanao politika.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.