Politique

Dr Raharijaona Tsy mahefa izao fitondrana izao


  • Alarobia 28 Septambra 2011

“Tsy mahefa ary tsy tokony hanao raharaham-pitsarana mahakasika ny krizy teto Madagasikara ny fitondrana misy amin’izao fotoana izao fa tokony hisahana ny fampandehanan-draharaha fotsiny ihany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Dr Raharijaona, anisan’ireo mpitarika avy ao ankolafy Ravalomanana ao Antsirabe.

 Aminy dia izay fitondrana mitsangana aorian’ny fanendrena izay praiminisitra mifanaraka amin’ilay tondrozotra no tokony hisahana izany satria izay vao tena tetezamita tena izy. Dikan’izany, hoy izy dia tokony hivoaka avokoa ireo gadra politika rehetra na sivily io na miaramila ka voakasika amin’izany ireo manamboninahitra teny amin’ny raharaha BANI Ivato sy ny resaka FIGN. Nasiany resaka ihany koa moa ny raharaha 07 Febroary 2009 izay toa hanadiovan’ny FAT tena kanefa dia efa mazava ny fanambarana nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina sy ny Jeneraly Rakotonandrasana Nöel fa efa zavatra nomanina teny Ambatobe ny 06 febroary ny hisian’ny vono olona eny Ambohitsorohitra ary nisy ny fijoroana vavolombelona nataon’i Monja Roindefo ka izay no tokony hamoahana ireo olona ireo hijoro vavolombelona ny amin’izany.

Torak’izany koa dia tokony hazava izay tompon’antoka tamin’ny raharaha “Alatsinainy mainty” ny 26 janoary 2009 izay nisiana fandrobana sy vono olona. Mikasika ny filazan’ireo mpiasam-panjakana ambony milaza fa tokony ho teknisianina no hitondra fa tsy ny mpanao politika dia mazava ny hevitry ny Dr Raharijaona fa fitadiavan-tseza izany satria efa teo foana izy ireo amin’ny maha lehiben’ny Distrika sy ny hafa kanefa dia ireny ihany no mibaiko ny hery famoretana rehetra mitranga amin’izay toerana isiana fihetsiketsehana rehetra teto Madagasikara. Amin’ny Dr Raharijaona dia tsy afa-miala fa tompon’andraikitra amin’ny fandatsahana ny Malagasy tao anaty krizy ny mpiasam-panjakana ambony.

 

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT