Dr Rabarijaona Bernardin

«Tsy tenenina fotsiny izany fahaleovantena izany»


  • Talata 18 Jona 2024

Mifanindry tanteraka amin’ny fankalazantsika ny fetin’ny fahaleovantena ny iray volan’ny teny malagasy,

hoy ny mpahaiolona na «anthropologue», Dr Rabarijaona Bernardin. Tsy tenenina fotsiny, hoy izy, izany fahaleovantena izany fa miseho amin’ny endrika ivelany. Io endrika ivelany io dia ny fampitan-kafatra, fampitana hevitra, fanazavana hevitra sy ny sisa. Mendrika tokoa, noho izany, ny ho dinihina akaiky ny momba ity hoe iray volan’ny teny malagasy ity. Tsara dia tsara ny hevitra, ny fikasana fa ny zava-misy iainana dia tsy mifanandrify amin’izay. Noho ny fivoaran’ny tekinolojia tsara fa matetika tsy voafehintsika dia manaotao foana. Manjary simba ilay teny malagasy satria raha mijery isika izao ny fandaharana sy fanazavana amin’ny haino aman-jery malagasy dia tsy hentitra. Avy hatrany dia ilay teny vahiny no tonga ao an-tsain’ny olona. «Haingana» izao, ohatra, na «mihazakazaka haingana ny fandrosoana» dia hoy ny mpianatra hoe «speed». «Haingakaingana» dia hoe «speedaspeeda» no tovana. Zavatra tena mampalahelo izany. Tokony ho jerena akaiky izany. Ianareo izay tompon’antoka eo amin’ny fampitana ny hevitra, ny fanazavana ny hevitra sy fandresen-dahatra amin’ny alalan’ny asanareo dia tokony hahafehy tsara. Efa misy ihany ny miezaka fa rehefa tsy tafita ilay izy dia avy hatrany dia miantsampy any amin’ny teny vahiny ilay olona. Mila dinihina akaiky izany ary tsy vitan’ny hoe iray volan’ny teny malagasy fa tokony ezaka mitohy io. Tokony hisy vaomiera manokana mihitsy hisahana an’io ary olona tena mahay. Tokony hivondrona sy hihaona ireo tena mahay ny teny malagasy ary hametraka tsara ny hoe misy fepetra, lalàna, fitsipika mifehy azy izany teny gasy izany fa noho ny hahamehana na hakamoan-tsaina dia adino ireny. Ny fahafahany no fahaleovantenan’ny malagasy. Ny olona no fototra hanehoantsika ny maha malagasy. Ny teny no entintsika manazava na mahalala ny olona ifandraisantsika. Mifandray aminao aho dia miezaka mampiseho fa isika dia mitovy fiteny, mitovy lasitra, lalàna dia hajaintsika. Tsy vitan’izay ilay fanagasiana ny teny malagasy fa io teny io no entinao mamantatra ny fihetsik’ilay olona rehefa mifandray amin’ny tontolo manodidina azy izy. Raha eo amin’ny lalàn’ny teny milahatra amin’izao tontolo izao dia mahaleotena ny malagasy saingy hankalazaina isan-taona ny iray volan’ny teny malagasy nefa manao ahoana izao no vokatra? Rehefa mihaino ny fandaharana fitaterana ny zava-misy dia tsy voafehintsika ilay teny gasy. Vao azo ny fahaleovantena ny taona 1960 dia nivory ny akademia miaraka tamin’ny mpampianatra teny malagasy toa an-dry Pr Siméon Rajaonina sy ny namany dia tena namoaka an’io fitsipi-panoratana sy fitsipi-pitenenana malagasy io. Ny zandry sy zanaka aty aoriana, misy ilay boky kely hoe «Fitsipi-panoratana sy fitsipi-pitenenana malagasy» fa firy amintsika moa no mahafehy sy mamaky azy iny? Tsy tokony ho iray volan’ny teny malagasy fotsiny, noho izany, fa teny malagasy mitohy, fehezina, ampiharina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT